Mois : février 2026

Nitsoraka tanaty rano : Lehilahy iray namoy ny ainy

Namoy ny ainy rehefa niezaka namono tena indroa nisesy ny raim-pianakaviana iray teny Ambodimita, boriborintany fahenina, omaly. Efa hitan’ny mponina manodidina naneho fihetsika hafahafa teny an-toerana io lehilahy io. Niezaka namono tena izy saingy nisy nahatsikaritra ka voasakana. “Saika hitsoraka tany ambany kodiaran’ny fiara nandalo izy. Nanavotra azy ny fokonolona”, […]

Denise sy Shyn : Hisy seho hanampiana ny vehivavy

Mpanakanton’ny fiarahamonina. Mbola anatin’ny fanampiana ireo traboina, no fantatra koa fa hanohana ireo vehivavy sahirana amin’ny fiatrehana fadimbolana i Denise sy Shyn. Nihaona tamin’ny mpanao gazety i Denise, tetsy Ambodivona. Fantatra nandritra izany fa hisy ny seho lehibe hotontosain’ireto mpanakanto ireto ny 8 marsa izao, etsy amin’ny CCI Ivato. Nampifanandrifiana […]

ONSFM : Zana-kazo 1 000 fototra nambolena

Mandray anjara amin’ny fanatsarana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ny Holafitry ny mpampivelona eto Mada­gasikara. Nandrakotra zana-kazo miisa 1 000 fototra teny amin’ny fokontany Ambohibe­ma­soandro, kaominina Talata Volonondro, ireo rasazy ma­nodidinana ny 300, ny faran’ny herinandro teo. «Miainga avy amin’ny fahadiovan’ny tontolo iainana ny fahasalamana, ka rariny raha manatanteraka […]

« Foire Pro’hygiène-cosmétique »: Homena sehatra ny mpanao asa tanana

Hotanterahina ny 30 avrily sy ny 1 ary 2 mey izao, eny amin’ny Kianjan’i Mahamasina, ny hetsika «Foire Pro’hygiène-cosmétique». Misahana manontolo ny fikarakarana ny ZRK Event. Fotoana io hanomezana sehatra ireo orinasa sy mpanao asa tanana. Tafiditra ao anatin’izany ny mpisehatra rehetra eo amin’ny «Propreté, hygiène, nettoyage, cosmétique, bien-être…». «Fotoana […]