Mois : février 2026

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka mahazo aina ny Ariary. Latsaky ny 5 000Ar avokoa ny sandan’ny euro sy ny dolara eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola, nanomboka ny faran’ny volana janoary teo. Omaly, 4 284,91Ar ny dolara iray, raha 4 503,13 Ar izany ny 23 janoary teo. Tafidina 4 993,76 Ar ihany koa ny euro raha 5 292,25Ar izany tamin’ny 28 […]

Fampandrosoana ny harinkarena: Tsy afa-misaraka ny indostria sy ny voka-pikarohana

Hanandratra avo ny fikarohana sy ho fitaovana stratejika hanatsarana ny indostria ny fi­faninanana nasionaly momba ny fahitana vao. Hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fam­p­i­roboroboana ny indosrtia sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) sy ny Ofisy malagasy misahana ny fizaka-manana ara-indostria (Omapi). Tanjona ny hampiroborobo ny fahaiza-manao sy ny fahitana vao […]

Angovo avy amin’ny masoandro : Hamokatra 15 MWc ny toby ao Moramanga

Nijery ifotony ny fizotry ny fananganana ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro ao Moramanga, ny vondrona Filatex niaraka tamin’ny iraky ny Primatiora, ny ao amin’ny minisiteran’ny Angovo ary ny Jirama. Teo koa ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola. Eo am-pamaranana, ankehitriny, ny asa mamokatra herinaratra manana tanjaka 15 MWc, hanamafy […]

Fiaraha-miasa : Mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara i Frantsa

Mbola i Frantsa no mpiara-miombon’antoka ara-toekarena voalohany ho an’i Madagasikara. Maherin’ny 55 ny orinasa frantsay eto amintsika, manome asa 20 000 mahery. Sehatra telo lehibe no tena mampisongadina ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. I Frantsa no mpanjifa voalohany ara-toekarena sy ara-barotra ataon’i Madagasikara, mpamatsy entana fahatelo ary mpampiasa vola vahiny fahefatra […]

FANTINA sy FINTINA

Namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy, rehefa niakatra fampanoavana tetsy amin’ny Pac 67 Ha, ny herinandro teo. Vesatra anenjehina azy ny momba ny tsy fanarahan-dalàna ho an’ny fanondranana letisia ny taona 2019-2020. Voasaringotra amin’izany koa ny mpiasan’ny minisitera niray tendro taminy. Vita ny herinandro teo, tetsy Ambohidahy, ny […]