Hihaona amin’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, rahampitso. Anisan’ny ho voaresaka ny mahakasika ny fiatrehana ny takaitra navelan’ny rivodoza. Hotanterahina rahampitso ny fihaonana eo amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël sy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron. Fihaonana tanterahina ao amin’ny Lapam-panjakana Elysée. Anisan’ny horesahina ny fiaraha-miasa marolafy […]
Mois : février 2026
Ambatoroka : Rangahy 50 taona naratra mafy voadonan’ny moto
Nisehoana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambatoroka, manoloana ny daba fanariam-pako, ny sabotsy alina, tokony tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. Raim-pianakaviana tokony ho 50 taona, naratra mafy voadonan’ny moto marika Sym Jet Power, miloko mainty sy volomboasary, teny an-toerana. Nandeha an-tongotra tamin’ny sisin-dalana izy io, no voafokan’ilay moto ka nianjera […]
Soavimasoandro: Olona efatra voasambotra noho ny halatra moto
Mitombo hatrany ny olona voasambotry ny polisy mahakasika ny halatra kodiaran-droa eto Antananarivo sy ny manodidina. Tao anatin’ny roa andro, ny zoma 20 febroary sy ny sabotsy 21 febroary lasa teo, miisa efatra ireo olona voasambotra. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy, tetsy Soavimasoandro, ny zoma lasa teo, ny […]
Ambohimanambola : Tovolahy hita faty tao anatin’ny ranon’ikopa
Natelin’ny ranon’Ikopa ny tovolahy iray izay hita faty afakomaly. Nilomano teo akaikin’ny hotely iray eny Ambohimanambola izy no tra-doza. Tovolahy iray 22 taona, hita faty natsingevan’ny reniranon’Ambohimanambola, afakomaly tamin’ny 10 ora maraina. Nilomano sy nilalao rano izy sy ny namany tamin’ny zoma atoandro lasa teo. Lasa teny amin’ny toerana lalina […]




