Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, tsapa fa tsy irery i Toamasina. Na ny eto an-toerana na ny sehatra iraisam-pirenena dia hita fa miombom-po sy miray hina amin’ny fanampiana ity renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara ity. Raha iverenena, teto an-toerana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nialoha ny rivodoza Gezani, […]
Mois : février 2026
Fitrandrahana hazo : Miverina ny fanomezanan-dalana
Naato nanomboka ny taona 2019 ny fanomezana fahazoan-dalana mitrandraka hazo teto Madagasikara. Nanomboka ny 15 febroary, miverina ny fanomezan-dalana. Nanazava ny momba izay ny Talen’ny Faritra arovana sy ny rohivoahary, Ramatoa Ratefason Tojosoa. “Nahatsapa ny fanjakana fa nitohy ny fitrandrahana tsy ara-dalana. Tsy nampidi-bola ho an’ny fanjakana izany. Noho izany, […]
Tangoron-tendrombohitra Masay : Hitondra ny traikefany ny MNP
Anisan’ireo voasokajy ho Faritra arovana vaovao ny Tangoron-tendrombohitra Masay. Midadasika tokoa ity toerana ity, manana velarana 369 000 ha, ao anatin’ny distrika Beroroha, faritra Atsimo Andrefana, sy distrika Mahabo, faritra Menabe. Faritra tsy azo kasihina sy idirana ny tena atiala (noyau dur), ny 192 000 ha, raha faritra manodidina, 171 […]
TARATRY ny KANTO
Mbola sarotra hampitan-kafatra sy resena lahatra ny Malagasy. Tsy tsara loatra ny tolotra maimaimpoana ? Manome takalo hasina hatrany ny Ntaolo teo aloha rehefa nahita soa tamin’ny olona iray. Noho ny «fiainana sarotra», ankehitriny. Mandositra sy manalavitra azy io ny tontolon’ny zavakanto amin’ny ankapobeny. Lehibe amin’ireny ny fampianarana ny kolontsaina. […]
Mpanao gazety ara-kolontsaina: Voafidy ho filohan’ny « Sorakanto » i Michaël R.
Tetsy amin’ny «La Cité des cultures» Antaninarenina. Nandritra ny fivoriam-be notanterahin’ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny kolontsaina na ny «Sorakanto», ny sabotsy 21 febroary teo no nanatanterahina ny fifidianana izay hitarika indray ny fikambanana. Voafidy ho filoha tamin’izany Rakotoarisoa Joachin Michaël (Mika). Izy no nandimby ny filoha teo aloha Randriamiarantsoa […]




