Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha lefitra fahafito sady lehiben’ny mpanohitra eo anivon’ny Antenimiera, ny depiote Milavonjy Philobert. «Na hahafaly na tsia, hita mihitsy izao fa tena very hasina ity Andrimpanjakana ity. Lasa manao ny tiany hatao ny minisitry ny Fitsarana ka mahatonga izao fisamborana sy fisavana anay […]
Mois : février 2026
Menamena ny sary
Anisan’ny sehatra iray miroborobo sy mihazakazaka be amin’izao fotoana izao, amin’ny fitondran’ny kolonely Randrianirina Michaël, ny Diplaomasia. Iaraha-mahalala fa efa nivoaka any ivelany indray ny tenany, nanomboka afakomaly. Miezaka ny mamelatra ny fifandraisana amin’ ny firenena hafa, ankoatra ny nahazatra hatrizay. Tsy mihanona amin’ny be kintana sy ny frantsay […]
Madagasikara sy Rosia: Tonga ny helikoptera MI-8 sy fiara ho an’ny traboina
Mamita iraka any Rosia, hatramin’ny omaly, ny filoham-panjakana Randrianirina Michaël. Efa tonga eto Madagasikara kosa ny helikoptera sy ny fiara hoenti-manampy ny traboina. Afaka andro vitsy no ho avy ny fiaramanidina miaraka amin’ny sakafo. Nanampy eo amin’ny fampitaovana noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Fytia sy Gezani ny fanjakana Rosianina. Efa […]
Baolina Kitra : Mitaky ny volany ireo mpandraharaha
Telo volana aty aoriana vao milaza ireo mpandraharaha, niara-niasa tamin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa tsy azo ny volany. Nihaona tamin’ny mpanao gazety, teny Ambanidia, ny solontenan’izy ireo, omaly. “Tsy mila korontana akory izahay fa mitaky ny rariny sy ny fanajana ny fifanarahana”, hoy i Andry Andriamalala. Nohamafisin’i Hajatiana Randrianantenaina […]
SOMBIM-BAOVAO
Nivoaka afakomaly ny filaharana vonjimaika, fifaninanana nasionaly, taranja Rugby, «XXL Top 12». Mihazona ny laharana voalohany, taorian’ny andro fahadimy, ny Cosfa. Eo amin’ny faharoa kosa ny FTM Manjakaray ary any amin’ny laharana fahatelo ny CEA Andranomanalina. Hotontosaina, anio, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao hihaonan’ny FC Rouge sy ny […]




