Mois : février 2026

Toamasina- Fampianarana teknika: Hiverina ny fianarana ho an’ny kilasy famaranana

Nihazo avy hatrany an’i Toamasina, hitsidika ireo ivontoeram-panofanana, LTP sy CFP, voakasiky ny rivodoza Gezani ny minisitry ny Fampi­anarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio. Araka ny tombana, simba avokoa ny 80% ny fotodrafitrasa. Ho fanohanana ireo traboina, nitondra vary sy voamaina ho an’ny mpampiofana, mpandraharaha ary vacataires ny […]

Fikambanan’ny: Terak’Imady Ampiakarina eto Anta­nanarivo ny savika

Nampahafantatra ny hetsika hanandratana ny kolontsaina savika na tolon’omby ny fikambanan’ny Terak’Imady ta­min’ity herinandro ity, izay tarihin’ny filohany Andriamahenin­tsoa Tolojanahary. Hatao eny Mahatsinjo, kaominina Alasora izany, ny 22 marsa izao. Hanafarana mpanao savika efa tena zatra avy any Amoron’i Mania mihitsy amin’io. Omby efa fanaovana savika ihany koa no hotolomina […]

Fahasalamana : Ho avy ny vaksiny miaro amin’ny Mpox

Efa tsindrindaona amin’ny fahatongavan’ny vaksiny miaro amin’ny aretina Mpox ny maro. Nampanantena ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa ho avy izany ato ho ato. Nilaza ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa efa ho tonga eto amintsika, alohan’ny faran’ity volana febroary ity, ny vaksiny hisorohana ny aretina Mpox. Araka ny toromariky ny manam-pahaizana dia laharam-pahamehana […]

TARATRY ny KANTO

Rehefa tojo ny hafahafa, mihiratra ihany ny maso. Manomboka mipoitra matetika any anaty tambanjotran-tserasera maro ireo endrika heverin’ny Malagasy fa manimba ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Iharan’izany tsy miato ny tontolon’ny hira. Tonony, feony, sns, samy tsy misy fotony (fototra) avokoa. Taitra sy mifoha ilay maha Malagasy, saingy, toa […]

« Ifalio ny maraina » : Amboaran-tononkalon’i Joely Kely

Eny, poeta i Joely! «Ta­lohan’ny naha mpanao gazety, talohan’ny naha humoriste, dia mpanoratra tononkalo no nahafantarana ahy. Poeta», hoy ny nambarany. Saingy izao vao feno fepetra amoahany boky. «Ifalio ny maraina», mirakitra ireo tononkalo nosoratan’i Andrianina Ra­joelisoa, fantatry ny maro amin’ny hoe Joely Kely na C’est du Joely, izy ity. […]