Mois : mars 2026

TARATRY ny KANTO

Tsy niova ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Voatazona hanohy ny asany i Mandrin­drarivony Ogascar Fenosoa. Nikitika ireo teboka lehibe nandritra ny roa volana naha minisitra azy, ka heverina fa izay no antony nitazomana azy. Anisan’ireny ny fanavaozana ny lalàna mahakasika ny Omda ho an’ireo mpanakanto, sy ny lalàna […]

Hainahandro: Hivelatra kokoa ny « LaTabatra » andiany fahatelo

Havory amina toerana iray ny mpisehatra rehetra amin’ny hainahandro sy ny tontolony. Hiray talabatra, izay no tanjon’ny hetsika “LaTabatra”, hatao eny amin’ny CCI Ivato. Hetsika miompana ma­nontolo amin’ny tontolon’ny hainahandro. Ho­tontosaina ny 18 sy 19 avrily ho avy izao ny andiany fahatelo amin’ny « LaTabatra ». Nisy ny fampahafantarana, izay no­tontosaina omaly, […]

INDRAY MIJERY

Notontosaina teny amin’ny distrika 20, anatin’ ny faritra 12, ny fanadihadiana nasionaly mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana (PF), ny vohoka tsy niriana ary ny fikarakarana ny fahasarotana noho ny fanalan-jaza eny anivon’ny hopitaly. Natomboka ny volana desambra 2024 ka hatramin’ny desambra 2025 ny fanadihadiana ka nahazoana fijoroana vavolombelona avy amin’ny […]

Fahasalamana : 50 taona niara-niasa i Madagasikara sy i Chine

Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana teto Madagasikara ny sinoa, tao anatin’ny 50 taona. Tolotra ara-pahasalamana sy fizarana traikefa ary fanampiana ara-pitaovana ny endrika nisehoan’izany. Manamarika ny faha-50 taonan’ny fiarahan’i Madagasikara sy Chine nisehatra tamin’ny fahasalamana isika izao. Nanolotra fitaovana ho an’ny hopitaly Anosiala, araka izany, ny hopitaly […]

Terak’Imady Ambohipo : Nahaliana an’Antananarivo ny Savika

Nahaliana ny mponina teto Antananarivo ny hetsika ara-kolontsaina Betsileo, Savika, nokarakarain’ny terak’Imady Ambohipo na fikambanana Fitia. Tetsy Mahatsinjo, kaominina Alasora, distrika Avaradrano, no nanatanterahina izany. Nanafatra mpisavika manokana avy any amin’ny faritany niaviany dia ny Betsileo ireo mpikarakara nanomezana aina tsara io kolontsaina io. Tao koa ireo zanaky ny faritra […]