Mois : mars 2026

Brickaville sy Manakara: Napetraka ny fari-pitrandrahana

Nidina ifotony tany amin’ny kaominina Anivorano sy Fetraomby, distrika Brickaville, ny fitantanam-paritry ny harena an-kibon’ny tany (DRMRS) Atsinanana sy ny BCMM Toamasina, ny 16 hatramin’ny 20 marsa teo. Napetraka ny fari-pitrandrahana voafehy (Zone d’encadrement) ny harena ambanin’ny tany madinika tany an-toerana. Natao ny 24 marsa kosa ny tany Mahavelobe, kaominina […]

banky BMOI : Hisy tohana sy antoka ho an’ny fananganana trano fonenana vaovao

Vitsy ny Malagasy afaka manangana na manavao ny trano fonenany. Manome vahaolana ny banky BMOI, hanohanana ny mpanjifa, hisitraka trano sahaza. Manome tolotra vaovao sy miavaka ny banky BMOI, sampan’ny Vondrona BCP. Nambaran’ny tomponandraikitra fa natao ireo tolotra ireo, satria maro no tsy manana ny fahefa-mividy ho an’ny trano fonenana. […]

TSELATRA

Lehilahy iray nandrahona mpivarotra tamin’ny basy kilalao sy antsy maranitra voasambotry ny polisy tetsy Avaradrano, afakomaly. Nahazo angom-baovao tao Andranovelona Sabotsy Namehana ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Kaomisaria foibe Avaradrano. Nandositra ilay lehilahy rehefa nahatsikaritra ny polisy saingy voasambotra tsy lavitra teo. Naiditra vonjimaika am-ponja ny 23 marsa 2026 teo, […]

Mpanendaka sy mpangarom-paosy : Efatra mianadahy voasambotra tetsy Analakely

‎Mpanendaka sy mpangarom-paosy efatra mianadahy voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny Hery vonjy taitra na Unité d’intervention Rapide (UIR), tetsy Analakely omaly. Nahitana lehilahy telo sy vehivavy iray. Anisan’ny mampihorohoro ny mpandeha ny firongatry ny asa fanendahana ataon’olon-dratsy eto Antananarivo sy ny manodidina tao ho ao. Nanamafy ny hetsika fanaraha-maso sy […]

Ambohimanga Rova: Mpanampy hita faty tao an-trano

Namoy ny ainy tampoka tao amin’ny tranon’ny mpampiasa azy, sady toeram-piasany, tao amin’ny fokontany Avarakady, kaominina Ambohimanga Rova, ny renim-pianakaviana iray, ny alatsinainy 23 marsa lasa teo. Nifampiresaka tamin’ny mpampiasa azy ilay ramatoa ny marain’io andro io, araka ny angom-baovao voarain’ny mpitandro filaminana. Mpanampy an-trano izy ary mpiavy avy any […]