Nilatsaka omaly ny fanapahan-kevitry ny HCC nankato ny fanesorana ireo depiote voafidy amin’ny anaran’ny vovonana Irmar sy ny avy amin’ny tsy miankina. Efa voasolo avy hatrany ny toeran’izy dimy mianadahy ireo. Anisan’izany ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Mitsinjo, Ahmad Ahmad. Lany tamin’ny alalan’ny mahaleo tena. Tsy depioten’ny distrikan’i Mahajanga […]
Mois : mars 2026
Sinto-mahery eny Ambodin’Isotry : Vehivavy iray nosamborin’ny polisy
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny vehivavy iray mpanao sinto-mahery eny amin’ny Cité Ambodin’Isotry, afakomaly maraina. Hamonjy toeram-piasana, vehivavy iray saika lasibatr’ireo mpanao ratsy. Narahin’ny vehivavy mpanao sinto-mahery io olon-tsotra io. Niditra lalankely izy kanjo nosintomin’ilay tontakely ny firavaka teny an-kodiny. Niezaka niaro ny tenany sady niantso vonjy tamin’ny mponina manodidina […]
Fampiasana olona antsokosoko: Teratany vahiny 83 nosamborin’ny polisy
Voasambotry ny polisy teny Ambatomirahavavy ny teratany vahiny miisa 83. Tsy manana taratasy fahazoan-dalana hiasa eto Madagasikara izy ireo. Ordinatera miisa 170 ihany koa nogiazana. Mitohy ny ezaka ataon’ ny polisim-pirenena amin’ny fanaraha-maso akaiky ny sisintany sy ny fivezivezen’ny vahiny eto Madagasikara. Nahitam-bokany izany, teratany vahiny miisa 83 no voasambotra […]




