Ho tapaka ny Lalam-pirenena RN2, PK61 –PK 63 anio 17 avrily, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro hatramin’ny 2 ora tolakandro. Antony, hisy ny fanapoahana vato, ilaina amin’ny asa fanarenana ny lalana. Tsy misy ny lalam-piviliana azo ifamoivoizana mandritra io fotoana io. Misy ny fandaminana apetraky ny tomponandraikitra eny an-toerana. Liana […]
Mois : avril 2026
Japon-OIM : Fampitaovana ho an’ny alika mpitsirika
Natolotra, omaly, 16 avrily, ny fitaovana maro, ilaina amin’ny fitaizana manokana ny alika mpitsirika, miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina. Ny sampana « Brigade canine » an’ny fadintseranana malagasy no misitraka azy ireo, fampitaovana avy amin’ny Masoivoho Japoney, amin’ ny alalan’ny Rafitry ny firenena Mikambana misahana ny fifindra-monina (OIM). Fitaovana ahitana karazany maherin’ny 20, […]
Seha-pihariana hasy : Ahodina eto an-toerana ny 15% ny vokatra
Miondrana avokoa ny ankamaroan’ny hasy eto amintsika. Mandray ny ankabeazan’ny vokatra ny nosy Maorisy sy i Sina. Ary mbola ny 15% ny vokatra no ahodina eto an-toerana. Nivoitra izany nandritra ny taom-piotazana hasy 2025-2026, tao Toliara. Seha-pihariana stratejika ho an’ny fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana ny hasy. Manodidina ny 5000 […]
Fampiroboroboana ny fampiasam-bola: Mifanolo-tanana ny EDBM sy ny CCIFM
Vita Sonia ny alarobia teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa ny EDBM sy ny CCIFM ho an’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola. Kendrena ny hanohana ireo orinasa frantsay sy iraisam-pirenena miasa eto amintsika. Rafitra mpiara-miasa akaiky sy manohana ny sehatra tsy miankina efa hatry ny ela ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nanao fanambarana avy hatrany ny PDS vaovao eto Antananarivo Renivohitra, Ralambomanana Feno. « Hiezaka hamafa ireo tsy nety isika ary hanohy ny tsara mila hotohizana entina hampandrosoana ny tanàna », hoy izy. Nanteriny fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny ankolafin-kery rehetra ny tenany amin’ny fanantanterahana izany andraikitra izany. Tsy ekena ary melohina tanteraka […]




