Mois : avril 2026

Depiote Ralambozafy Raoto: “Aoka ho tena tomponandraikitra isika tanora ”

Manoloana ny hetsika isan-karazany ataon’ny Gen Z sasany, nivoaka amin’ny fa­hangi­na­ny ny solombavambahoaka voa­fidy tao Isandra, Ralambozafy Raoto. Namba­rany tamin’ny resaka nifanaovana taminy, omaly fa : “va­hao­lana maharitra no ilaina, tsy vahaolana velively ny ko­rontana”. Nohamafisiny fa efa mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanavaozana, tarihin’ny mpitondra ankehitriny ny Anteni­mi­erampirenena. Anisan’izany […]

Tsy ilaozan-dromoromo!

Raikitra ity ! Nisantatra ny fikaonandoham-pirenena ny tanora. Mariky ny firosoana tsikelikely amin’ny famitana ny tetezana miampita mankany amin’ilay fanovan-drafitra izany. Ivon’ny fanavaozana ny fanangonan-kevitra eny ifotony sy fahafahana mamadika izany ho lalana fotrotra ijoroan’ilay fanjakana. Handrasana ny fehin-kevitra mivoaka, ho fototry ny Repoblika fahadimy, tsangam-baton’ny fanovana. Etsy ankilan’izay, efa mandeha […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Mitana anjara toerana amin’ny fanavaozana ny tanora”

Ny hetsiky ny tanora no nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Tsy vitan’izay, mitana anjara toerana amin’ny fanavaozana izy ireo, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, nanomboka ny fikaonandohan’ny tanora. “Mitana anjara toerana manokana ao anatin’ny rafi-panavaozana ianareo tanora, ary manana ny lanjany amin’ny fitarihan-dalana ny hoavin’i Madagasikara sy ny hoavinareo rahatrizay”. […]