Andrarezina ! 45 taona an-tsehatra nizaran’ny Olombelo Ricky ny fahaiza-manaony amin’ny tontolon’ny hira sy ny kolontsaina. Hiaina sy hizara izany amin’ny mpankafy azy izy, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny alahady 19 avrily ho avy izao. Hikaloany ireo hira marobe, nandalo sokajin-taona nifandimby nandritra izay 45 taona izay. Toy ny «Ikalangita», ny […]
Mois : avril 2026
Handball – IHF Trophy: Miatrika fampivondronana ny Akio
Taorian’ny fahavitan’ny fifaninanam-pirenena sokajy zandriny “cadet” sy “junior” lahy sy vavy, taranja handball, ny zoma 10 avrily lasa teo, niditra amin’ny fampivondronana avy hatrany ireo ankizilahy voafantina ho anaty Akion’i Madagasikara. Hanomana ny fifaninanana hiadiana ny “IHF Trophy”, faritra faha-7. Nanomboka ny sabotsy 11 avrily lasa teo izany, ary haharitra […]
Hazakazaka lavitr’ezaka : Atleta malagasy roa ho any Maurice
Handray anjara amin’ilay hazakazaka goavambe “KFC Ultimate Road Race”, tanterahina atsy Maurice ny Malagasy ka voaasa manokana amin’izany i Mamie eo amin’ny lehilahy sy i Sendra ho an’ny vehivavy. Hifaninana eo amin’ny halaviran-dalana 42 km izy mianadahy. Hotanterahina ny alahady 19 avrily ho avy izao, ao Mont Choisy Public Beach […]
Africa Summit Education 2026 : Namiratra ny Malagasy mpampianatra
Andiany fahefatra ny Africa Summit Education 2026 natao tany Accra, any Ghana, ny 19 hatramin’ny 21 martsa teo. Nisongadina ny Malagasy mpampianatra tamin’izany. Noraisin’ny minisitra telo tonta ireto Malagasy mpampianatra nanandratra avo ny hasin’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto Madagasikara ireto, ny alatsinainy teo. Anisan’ izany ny Pr Rejo-Fienena Félicitée, […]
Croix Rouge Malagasy: Maro ireo mahafehy ny fiatrehana ny loza
Nanao tombana ny Croix Rouge Malagasy (CRM) nandritra ny atrikasa nataony. Tao anatin’ny roa taona izao dia efa maherin’ny 409 000 ireo olona voakasika ary manana fahavononana hiatrika ny karazana loza mitranga amin’ny andavanandrom-piainana na mandritra ny loza voajanahary. Taorian’ny atrikasa famintinana ny programa fandaharanasa ho an’ny fiomanana sy faharetana […]




