Mois : avril 2026

Trafikan-tsokatra : Vehivavy iray tratra nisandoka ho polisy

Nisandoka ho polisy, nandritra ny roa taona ny vehivavy iray mpanao trafikan-tsokatra. Nahatrarana fanamiana maro tao aminy. Anisan’ny tompon’antoka tamin’ilay raharaha nahatrarana sokatra miisa 152 teny 67 Ha ny 30 marsa izy. Mivoatra ny raharaha ! Nisy zana-tsokatra, ka­­razana «Astro­che­lys» miisa 152 natao tanaty valizy roa, tratra tao amin’ny tokantrano iray […]

FANTINA sy FINTINA

Nohadiadian’ny mpitandro filaminana, nandritra ny ora iray ny Jly Ramakavelo Desiré. Efa nody any an-tokantrano avy hatrany ny tenany sy ny vadiny taorian’izany famotorana natao azy ireo, tetsy amin’ny BC Anosy. Tsiahivina fa nahazo fiantsoana ny faran’ny herinandro teo izy mivady ary tonga namaly izany. Nanome toromarika ireo mpikatroka Tim […]

Minisiteran’ny tanora : “Tsy eny an-dalambe no manova rafitra”

“Raha mieritreritra hanova ny firafitry ny andrimpanjakana izay takin’ny tanora amin’izao hoe: ovaina ny HCC sy ny Ceni ary ny Antenimieram­pi­renena. Ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena no hahazoana miady hevitra ny amin’izany, fa tsy an-dalambe, tsy any amin’ny tambajotran-tserasera, tsy any an-trano… “. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany […]

Fanovana toe-tsaina

  Anisan’ny mbola takina sy andrasana amin’izao governemanta izao izay notakina teny an-kianja, nahatongavana amin’ity hoe fitondrana Fanavaozana. Tsy inona izay fa ny sosialim-bahoaka. Eo, ohatra, ny famatsian-jiro sy rano, ny famoronana asa, ny vidim-piainana, ny fandriampahalemana… Hatramin’ny fanamboaran-dalana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota… Lasa fanamby! Mby aiza? […]