Mois : avril 2026

Fanohanana ny famoronana : Hampiarahina ny mozika sy ny sary

Nampahafantarin’ny Al­lian­ce Française eto Anta­nanarivo indray ny fisokafan’ny «Bourse à la création 2026». Araka ny anarany, fanohanana amin’ny famoronana zavakanto izy ity, izay misokatra amin’ny Malagasy mpanakanto. Tanjona ny hamoahana tetikasa iray mifototra amin’ny fifanakalozana ara-javakanto, ka ny mozika sy ny sary no ampiarahana amin’ity. Manodidina ny lohahevitra fiarovana ny […]

Zo hisitraka fanabeazana : Nametrahana tranon’ny autisme ny EPP Vohibola

Nomarihina teny amin’ny EPP Vohibola Ampandrana, omaly, ny Andro maneran-tany hankalazana ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny autisme, antsoina hoe «olona hafakely», eto amintsika. Nanamarika izany ny fitokanana ny tranon’ny autisme, ahitana efitrano roa, ao anatin’ny EPP. Fandrai­sana anjara avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho fampisitrahana ny zo hianatra ho an’ny […]

Nihaino ny hetahetan’ny mpiasa : Nitsidika ny Cnapmad ny minisitra

Nitsidika ny Ivontoerana nasionaly misahana ny famokarana fitaovana pedagojika sy didaktika (Cnapmad) ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Rajaonarison Sendra Nirina, omaly. Ivontoerana iray eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, manana traikefa 42 taona, ary mamelona mpiasa manodidina ny 150 isa ny “Cnapmad”. Izy ireo izay miandraikitra ny famokarana ny fitaovana […]

Fandrindram-piterahana : Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana

Ahafahana misoroka ny vohoka tsy nirina, mitondra amin’ny fanalan-jaza sy fahafatesana, ny fizarana fahalalana ho an’ny ankizy sy ny tanora momba ny fanabeazana ara-pananahana. Taorian’ny famoahana ny vokatry ny fanadihadiana nasionaly momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, taona 2024-2025, nisongadina fa tandindomin-doza ny fahasalaman’ny tovovavy eto amintsika. Adolan­tsento 15- 19 taona […]