Mois : avril 2026

Fampandrosoana ny toekarena : Vonona handraharaha eto amintsika ny tonizianina

Tonga eto Madagasikara, nanomboka ny 31 marsa teo, ny delegasionina tonizianina mpandraharaha hijery fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Hetsika tafiditra ao anatin’ny “mission économique” atao hatramin’ny 04 avrily, izay tarihin’ny Tunisia Africa Business Council (TABC). Tanjona ny hanamafy ny fifanakalozana eo amin’ny firenena roa tonta sy hanatanteraka ho tetikasa ireo finiavana ho […]

FANTINA sy FINTINA

Ilaina ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana hampandrosoana ny faritra tsirairay avy, araka ny nambaran’ny loholona teo aloha, i Vaovao Benjamin. Nanteriny fa ahafahana mampandroso ny faritra sy handrindrana ny fitantanana ny firenena izany. «Ani­san’ny mampihisatra ny fitantanan-draharaham-panjakana ny tsy fipetrahan’izany», hoy izy. Voafidy hisolo tena ny HCC eo anivon’ny bira­on’ny Ceni, Rajafetra […]

Fitantanan-draharaham-panjakana: Nanolotra tatitra tamin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Mediatiora

Ireo asa vita nandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025, manasongadina ny andraikitry ny Mpiahy an-drariny ny va­hoaka na ny Mediatioran’ny Repobika amin’ny maha rohy mampifandray ny Fanjakana sy ny vahoaka azy. Izay no na­naovan’ny Mediatioran’ny Re­poblika, ny Pr Andrianaivo­tseheno Ravaka, tatitra tamin’ ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, […]

Masina Masina !

Nahoraka tanaty fahamasinana ny fankalazana ny andron’ny alakamisy masina ho an’ny mpino kristianina ho an’ny eto Madagasikara. Nanomboka ny alim-bavaka mandra-pitsangan’ilay « Mesia » amin’ny Paka. Somebiseby ny isam-piangonana satria io no ivon’ny finoana ho an’ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. Mifanindran-dalana amin’izay ho an’ny mpahay kitana sy volana, niavaka koa ny alina. […]

Herinandro Masina : Mitaky ny hialana amin’ny fitiavan-tena ny arseveka

Efa ao anatin’ny fanamarihana ny Herinandro masina tanteraka ny mpino kristianina amin’izao fotoana izao. Anisan’ny nitondra ny teny fampianarana momba izany ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean De Dieu. Tsotra ny teny fampianarana nentiny amin’izao fiatrehana ny Herinandro masina izao. « Aoka isika ha­naiky tanteraka fa tena mpanota. Mora mirona […]