Mois : avril 2026

TSELATRA

Nahitana fatim-behivavy iray tokony ho 25 taona tetsy amin’ny ranon’i Sisaony, Anosikely Ando­hatanjona Itaosy, omaly maraina. Nampakatra ny razana avy tao anaty rano ny mponina. Tonga nizaha ny razana sy nijery ny zava-nitranga ny mpitsabo sy ny polisim-pirenena. Tsy niakanjo intsony ny tapany ambany. Tom­banana ho efa herinandro ny nahafaty […]

Indroa nanolana ny zanak’anabaviny: Lehilahy naiditra vonjimaika any am-ponja

Tratra teo am-panaovana ny filan-dratsiny, nentin’ny fianakaviany teny anivon’ny biraon’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray 33 taona nanolan-jaza tetsy Anka­dindra­tombo, kaominina Ala­sora, afakomaly. Ankizivavy 8 taona, zanaky ny anabavin’io lehilahy io ihany no naolany, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana misahana ny fanadihadiana. «Nidiran’io lehilahy io tao an-trano […]

Nihotsahan’ny tany tanaty kariera : Roa lahy mpitrandraka vato maty

Nozeran’ny tany, tsy tana ny ain’ny mpitrandraka vato roa lahy tao amin’ny karieram-bato tao amin’ny fokontany Marojao, kaominina Andranomiely Atsimo, ny alarobia 22 avrily teo. Ni­asa tao amin’io toerana io ireo mpitrandraka. Niharan-doza tampoka anefa izy ireo rehefa nidina tany anaty lavaka mirefy 4 metatra. Nianjera tampoka ny tany manodidina […]

Asa mamoafady anaty internet : Olona efatra naiditra vonjimaika am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja ny olona efatra, mikarama amin’ny fanodinana sy famarotana horonantsary mamoafady amin’ny internet. Mampiasa sy manararaotra vehivavy sahirana izy ireo. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, afakomaly, ny raharaha mahakasika ny fampiasana vehivavy manao asa mamoafady ao anaty internet teny Alasora. Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny olona […]