Mois : avril 2026

JJB : Klioba 12 hifaninana amin’ny “Gi Tournament Battle-XX”

Anatin’ny fanatanterahana ny fandaharam-potoana ho an’ny taona 2026 ny eo anivon’ny taranja Jiujitsu breziliana, amin’izao fotoana. Ny “Gi Tournament Battle-XX” no fifaninanana voalohany miandry ny mpikatroka. Hotanterahina ny 25 avrily izao ity fifaninanana karakarain’ny klioba JJB Attila ity. Hatao eny amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpikatroka 135, avy amin’ny klioba […]

VAOVAO TAMBATRA

Nakatona vonjimaika ny tsena iray ao Anosibe noho ny tsy fanarahana ny fenitra sy ny fitsipika mifehy ny asa. Vary amidy tamin’ny mpivarotra maromaro koa no nakana santionany alefa ho tiliana, hanaporofoana raha misy tokoa ny vary nafangaro. Ankilany, nisava ny taratasim-barotra toy ny faktiora, nahafahana nanamarina raha ara-drariny ny […]

QMM : Ampiasaina ny vato sokay hanatsarana ny rano

Manohy ny firotsahany an-tsehatra ny orinasa QMM any Taolagnaro, hisian’ny mangarahara sy ny fitantanana ny rano any an-toerana. Ampia­saina ny vato sokay hanatsarana ny kalitaon’ny rano. Nivoaka ny tatitra fahefatra mahakasika ny rano ampiasain’ny orinasa QMM any Taolagnaro. Mahafaoka ny vanim-potoana novambra 2024 hatramin’ny oktobra 2025 ity tatitra ity. Fantatra […]

Fitaterana kaontenera: Hentitra ny fanaraha-maso ireo fiarabe

Manamafy ny fepetra horaisina, manoloana ny tsy fanajana ny fenitra ara-piarovana amin’ny fitaterana kaontenera, ny fitondram-panjakana. Hita mantsy fa mbola misy ny mpitatitra tsy manaraka ny lalàna, araka ny didy lah-148 823/2003, indrindra ny fampiasana ny « twist lock », izay fitaovana fiarovana tsy maintsy ampiasaina hitazomana ny kaontenera eo ambony fiarabe. […]

MUSTIS : Hijery ny tombontsoa ara-toekarena sy fampiasam-bola maharitra

Hifantoka betsaka amin’ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’i Madagasikara sy Etazonia ny Madagascar–United States Trade and Investment Symposium (Mustis). Roa andro nijeren’ny andaniny sy ny ankilany ny soa fanararaotra ho an’ireo Malagasy sy amerikanina mpandraharaha momba ny varotra sy ny fampiasam-bola. Mino sy matoky ny fiaraha-miasa […]