Mois : avril 2026

Mpitondra bisikileta mamo: Lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany Antsirasira II, Ambohitoaka, distrikan’i Mampikony, afakomaly hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Niseho teo amin’ny PK 93+500, teo amin’ny sampanan-dalana Ampasimatera, ny loza. Bisikileta iray notaingenan’olona roa no niharan-doza. Nandeha taorian’ny kamiao iray ilay bisikileta. Nijanona tampoka anefa ilay kamiao ka tsy tafajanona […]

Telo lahy atao hazalambo : Tovolahy voafira antsy noho ny hasarotam-piaro

Naratra mafy, voafira antsy teo amin’ny tarehiny sy ny tongony ny tovolahy iray, ny talata alina lasa teo. Alahelo noho ny fandavan’ny tovovavy notsiriritiny no nanosika ilay nahavanon-doza hanafika mpifankatia, tao Ambalamanasy. Naratra mafy! Torana tsy nahatsiaro tena ny to­volahy iray, antsoina hoe Patrick, ny talata alina lasa teo. Notafihin’andian-jatovo […]

Fahaleovantenan’i Etazonia : Nahaliana tanora maro ny « Freedom 250 »

Nanao fizarana momba ny tantaran’i Etazonia sy ny maodelin’ny demokrasia amerikanina tetsy amin’ny ENS Am­pefiloha ny mpanolotsaina lefitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho Amerikanina, i Alex Burns. Fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ENS amin’ny fanamafisana ny fampianarana ny teny anglisy sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina izao hetsika izao. […]

ESPA : Afaka miasa amin’ny sehatra maro ny injeniera

Iray amin’ny sampana 16 eo anivon’ny sekoly ambony politeknika Antananarivo, eny Vontovorona, ny Ingenierie minière, izay mamoaka injeniera mahafehy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 1976. Miavaka ny injeniera nahavita fianarana te­ny amin’ny sekoly am­bony politeknika satria afaka misehatra amin’ny lafin’asa maro aorian’ny fahazoana diplaoma. Tafiditra ao ny fitrandrahana harena an-kibon’ny […]

Asa tanana sy kolontsaina: 40 taona nanamboarana zavamaneno i Hery Valiha

Teo amin’ny fahafolo taonany, fony teny am-piandrasan’omby, no efa nahay nandrafitra zavamaneno toy ny valiha sy kabosy vita amin’ny tanimanga i Hery Valiha. Ankehi­triny, 40 taona nanamboarana izany izy. Mampiavaka ny valiha arafiny ny fisian’ny asa fikarohana mitohy hita sy heno ao aminy (valiha). Na­tambany, ohatra, ny kesika sy ny […]