Mois : mai 2026

SOMBIM-BAOVAO

Tafita hiatrika ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, ny Fosa Juniors Boeny. Tafiditra amin’ny fifaninanam-pirenena «PFL». Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1, omaly, ny klioban’ny FC Soleil. Tsiahivina fa mbola miatrika ny ampaha-16n-dalan’ity fifanintsanana ity ny Fosa Juniors sokajy zandriny.

“Pureplay Football League (PFL)” : Tafita any amin’ny manasa-dalana ny Elgeco Plus

Ekipa faharoa manaraka ny dian’ny Disciples FC Va­kinankaratra any amin’ny manasa-dalana amin’ny “Pu­re­­play Football League (PFL)”, ny Elgeco Plus. Resin’ izy ireo tamin’ny fandakana “tir au but”, 4 no ho 2, tetsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass, omaly, ny FC Rouge. Nisaraka 1 no ho 0, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna, […]

Komity olympika malagasy: Tontosa ny fivoriambe ara-potoana

Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Sky Blue Ankadindra­tombo, ny fivoriambe ara-potoana 2026 ho an’ny Komity olympika malagasy (Kom). Saika tao avokoa ny ankamaroan’ny Federasionina rehetra ary nandefa solontena sy niditra mivantana ireo tsy afaka nanatrika izany. Teboka maro no noresahina ka anisan’ny nisongadina ny mahakasika ny Lalao olympika ho an’ny tanora […]

Handball – “IHF Trophy” : Nandresy an’i Comores ny Akio, sokajy Cadet

Nisantatra fandresena ny Akio Madagasikara, sokajy Cadet, eo amin’ny fifaninanana amin’ny taranja Handball, “IHF Trophy” faritra fahafito, ho an’ny ranomasimbe Indianina, sokajy zandriny, lehilahy. Niarina tamin’ny fahavoazany ny Akion’i Ma­dagasikara, sokajy Ca­det, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “IHF Trophy” faritra fahafito, taranja handball, sokajy zandriny, zazalahy. Fifaninanana tanterahina etsy […]

TARATRY ny KANTO

Hanao tohivakana ny seho iarahana amin’i Zook Davids. Fampisehoana rindran-kira evanjelika. Mahazo tombony amin’izany seho izany hatrany ny ankizy sy ny tanora. Anio, tontolo andro, any Ambatolampy, ao amin’ny FJKM Ankodondona Filadelfia. Ankoatra ny hira, hisy ny kilalao sahaza ny ankizy. Rahampitso amin’ny 2 ora tolakandro, sehon’i Zook Davids arahina […]