Mois : mai 2026

Seho miaraka amin’ny Big Band : « Nofy hotanterahina », hoy i Rija Ramanantoanina

Karazan-javamaneno maro eny an-tsehatra, manaraka ny soratra mozika big band iraisam-pirenena, hanarahana mozika malagasy. Goavana ny fanamby ho an’i Rija Ramanantoanina sy ireo mpanakanto hiray sehatra aminy. «Ampoka hakantoana. Voalohany eto Afrika ity seho ity raha ny lafiny fitrotroana ara-mozika, miaraka amin’ny so­ratra Big Band. Nofy hotanterahina ity». Ampahany tamin’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miverina ny delestazy eto Antananarivo. Araka ny fampahalalana avy amin’ny Jirama, tsy tomombana ny milina iray mpamokatra herinaratra ao amin’ny orinasa tsy miankina Symbion Mandroseza, ka banga 9MW ny vokatra hamatsiana ny tambajotra RIA. Nampihatra ny fanapahan-jiro mifandimby na delestazy, ny Jirama, omaly hariva, maharitra 30 mn, nanomboka tamin’ny 5 […]

Taom-pamokarana lavanila maitso: Nahalafo vokatra 9 taonina ny tantsaha

Tao anatin’ny roa andro, ny 26 sy 27 mey, milanja 9 taonina (t) ny lavanila maitso lafon’ireo mpamokatra tao amin’ny kaominina Antsa­koamanondro, distrikan’ Amban­ja. Nanomboka omaly, nanatona ny mpamokatra any amin’ny kaominina Ambolika­pily sy Ambalahonko ny orinasa Biolandes, manohy ny fividianam-bokatra. Notsin­drin’ny lehiben’ny Faritra Diana, ny jeneraly Marovavy Louis Francio, […]

Rano madio fisotro : 40% amin’ny mponina no misitraka izany

Fanamby goavana ho an’i Madagasikara ny fisitrahana rano madio fisotro. Mbola ny 40% ny mponina no mahazo izany, raha ny tatitra nataon’ny minisitry ny Rano, ny fahadiovana ary ny fidiovana, ny Dr Razafindrianiaina Minosoa Anja­ratiana Elia, omaly. Antony nahatonga ny minisitera nanatanteraka fivoriambe niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatra EAH/Wash. […]