Mois : mai 2026

IOAI Summit : Hatsangana ny vovonana niomerika IA

Tsy afa-miala amin’ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) intsony ny fampandrosoana sy ny sehatra rehetra, ankehitriny. Anisan’izany ny fambolena, ny fitsaboana, ny fahasalamana, sns. Notanterahina omaly, teto Antananarivo, ny fihaonambe «IOAI Sum­mit 2026», andiany voalohany, mahakasika ny Fahara­ni­tan-tsaina artifisialy (IA) aty amin’ny ranomasimbe Indiani­na (OI). Nambaran-dRamatoa Cédène Da Silva, CEO ny EDS […]

FANTINA sy FINTINA

Hofaritana any amin’ny fikaonandoham-pirenena ny rafitra hitondrana ny firenena ka hamaritana raha mbola hijanona amin’izao ihany ny fokontany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Atitany, Rakotonan­drasana Velonjara. « Mbola tendrena aloha, hatreto, ny lehiben’ny fokontany. Nanomboka ny taona 2009 no tsy nisy fifidianana intsony », hoy izy. Voatendry ho masoivoho frantsay vaovao hi­asa […]

Ceni : Raikitra ny dinika handrafetana lalàm-pifidianana vaovao

Manomboka any amin’ny fandrafetana lisitry ny mpifidy hatrany amin’ny famoahana valim-pifidianana ofisialy. Izay no ifantohan’ny dinika sy fifanakalozan-kevitra karakarain’ny Ceni amin’ny fikaonandoha savaranonando eny amin’ny CCI, Ivato, nanomboka omaly ary maharitra hateloana. “Ao anatin’ny fangaraharana tanteraka no amoahan’ny tsirairay avy izay olana sedrainy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakoto­narivo Thierry, taorian’ny […]

Tsy misy hasina intsony

Raha zohina akaiky ny zava-misy amin’izao fotoana izao, mahazo vahana ny tsy firaharahana ny ain’olombelona. Ny mamono tena mahazo vahana andro aman’alina: ny mihinam-poizina mihinana, ny mananton-tena saika isan’andro, ny mitifi-tena tsy fantatra antony itony manao ny ataony ihany koa. Tsy hita ifanomezan-tsiny moa fa taterina etoana izany mba hampisainana […]

Fitakian’ny MMM : « Ovana tanteraka aloha ny rafitry ny Ceni… »

Anisan’ireo niatrika ny fikaonandoha savaranonando nokarakarain’ny Ceni, teny Ivato, ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nohitsiny fa tsy mbola hita taratra ny tena fanovana momba ny fikarakarana fifidianana. «Ovana tanteraka ny rafitra mikarakara ny fifidianana raha tiantsika ny hananana fifidianana madio sy azo antoka ary mangarahara. Aza adinoina […]