Mois : mai 2026

FANTINA sy FINTINA

Efa nisy ny taratasy fangatahana fanesorana ny zo tsy azo anenjehana « Immunité parlementaire » ny depiote Raholdina Naivo, araka ny nambaran’ny minisitra Fanirisoa Ernaivo. « Efa nalefa eny Tsimba­zaza izany, mialoha ny nisamborana azy, saingy mety tsy voarain’ny filohan’ ny Antenimiera izany noho izy mbola tsy teto an-toerana », hoy izy. Nandray ny […]

Tetiandro vonjimaika: Hatao amin’ny oktobra 2027 ny fifidianana

Misoko mangina. Efa ao anatin’ny faminavinana ireo tetiandro samihafa ho amin’ny fifidianana ny eo anivon’ny Ceni, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny filohan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity ny momba ireo dingana samihafa hirosoana. « Tokony hotanterahina amin’ny volana jona na jolay 2027 ny fifidianana ny Lalàm­panorenan’ny Repoblika fahadimy. Hatao ny volana oktobra amin’io […]

Mifanaraha tsara aloha!

  Nahavariana ny tsy fitovian’ny fanambarana nataon’ny samy henjana omaly, mahakasika ny fisamborana depiote iray. Mifanipaka an-karona sady imasom-bahoaka izy mianadahy? Tsy hidirana lalina ny votoatin’izay voalaza. Samy mpanao politika ireo, afaka ny mifandetika no mifampiaro. Ilay vahoaka tratry ny sangodim-panina fotsiny no manahiran-tsaina. Tsy mahagaga izany, raha ny fanaovana […]

Asan’ny governemanta : “Mila vokatra mivaingana ny vahoaka”

Nisokatra, omaly, ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena, amin’ity taona ity. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filoha, Randrianasoloniaiko Siteny, fa mitaky vokatra amin’ny governemanta ny vahoaka. “Miandry sy manantena vokatra azo tsapain-tanana sy misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro ao anatin’ny fotoana fohy ny vahoaka malagasy”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimie­rampire­nena, Randrianasoloniaiko Siteny, nanomboka […]