Nanao fanambarana teto Antananarivo, omaly, ny Firaisankinan’ny terak’Ibara nasionaly (Fitiba) manoloana ny fanelezana vaovao tsy marim-pototra amin’ny tambajotran-tserasera. Momba ny tale jeneralin’ny Agence portuaire maritime et fluviale APMF, ny inspecteur des affaires maritimes Rainimbahy Jacquis Georges, no votoatiny. Andro vitsy taorian’ny fanendrena azy, niely ny vaovao fa izy no tompon’andraikitra […]
Mois : mai 2026
Marary ny fitaterana : Miray hina ny mpitatitr’olona sy entana manerana ny Nosy
Natsangana ny firaisankinan’ny mpitatitr’olona sy entana manerana ny Nosy. Ivondronan’ny mpitatitra amin’ny zotra an-dRenivohitra, nasionaly, rezionaly ary ny taxi ville, miaraka amin’ny mpitatitr’entana izany. Marary ny fitaterana eto Madagasikara! Nitambatra ho vovonana iray ny mpitatitra. Hitondra feo tokana ho an’ny mpikambana no antom-pisiany. Lasa faralahy amin’ny fandraharahana ny fitaterana, araka […]
TARATRY ny KANTO
Faribolana Sandratra. Ho avy hisoron’afo ny avy lavitra. Ho tonga eto an-dRenivohitra ireo mpikambana avy ao amin’ity faribolan’ny mpanoratra ity ka hanolotra antsa tononkalo nampitondraina ny lohateny « Soron’afo ». Hotanterahina ny 16 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora hariva, ao amin’ny Cercle Germano-malagasy/GZ Analakely izany. Tsy hisy ny vidim-pidirana na ho […]
« Spass Gasy » any Allemagne: Anisan’ireo hanafana ny hetsika i Zakai
Hiditra amin’ny andiany fahefatra ny “Spass Gasy”. Hetsika iray ho an’ireo Malagasy monina any Allemagne sy ny manodidina izy ity, izay hatao ny 24 mey izao, ao amin’ny Tivoli Club (Hohe Straße 14, 50667 Köln, Allemagne). Araka ny nampitain’ny Mah’Event izay mpikarakara, ho avy manokana hanafana ny hetsika i Zakai. […]
Sarimihetsika: Ho any Bénin i Kuro Mi
Anisan’ireo mpamokatra sarimihetsika voaantso handray anjara amin’ny « Courts Circuits 2026 » i Edmée Rakotonjanahary na i Kuro Mi. Hatao any Grand-Popo, Bénin, ny 15 hatramin’ny 29 jona izao izy ity. Fikotrehana fanoratana sarimihetsika, iarahan’ireo mpanatontosa sarimihetsika afrikanina miisa 6 no tena hatao mandritra izany. Tafakatra 150 mahery ireo mpanatontosa sarimihetsika nandefa […]




