Mois : mai 2026

Nikomy hanao fanafihana: Jiolahy efatra lavon’ ny polisy

Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina Toamasina, omaly maraina tamin’ny 4 ora. Naharay loharanom-baovao marim-pototra, nandritra ny fisafoana nataony, ny polisim-pirenena fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanafika. Niatrana avy hatrany tamin’ny toerana voatondro, nifanehatra tamin’ireo tsy valahara, ny mpitandro filaminana. Na­moaka fitaovam-piadiana anefa ireo jiolahy efatra ary nanohitra ny […]

Moto nidona tamin’ny sisin-dalana : Lehilahy iray maty, iray hafa torana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray teny Andraharo, afakomaly alina, tamin’ny 11 ora sy 50 minitra. Niseho teo amin’ny lalana Dr Raseta ny loza. Moto scooter marika Kymco Many izay notaingenana lehilahy roa no niharan-doza. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena, nandeha mafy izy ireo saingy tsy nahafehy ny familiana […]

Tarika Iray Fy’Art : Hilalao tantara amin’onjampeo any Amparamanina

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra amin’ny tantara an-tsehatra. Hihazo ny any Alaotra, Amparamanina Am­pa­rafaravola, ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo, ny tarika Iray Fy’Art, taorian’ny seho an-tsehatra tany Maha­janga, ny herinandro teo. Hihaona mivantana sy hifanakaiky kokoa amin’ireo mpankafy sy ireo vahoaka any an-toerana izy ireo ny alahady 7 jona ho avy […]