Mois : mai 2026

Fanalam-baraka tamin’ny facebook : Nametraka fitoriana ireo olona voakasika

Nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana ilay mpampiasa sy ilay vehivavy mpiasa nahatsiaro tena ho nalana baraka tamin’ny alalan’ny fanapariahana vaovao tsy marina, ny alatsinain’ny Pantekoty teo. Ni­tsangantsangana teny ankalamanjana, nitondra sakafo, ilay ramatoa sy ny fianakaviany ary ilay mpanampy ao an-trano. «Efa avy nisakafo tamin’ny toeran-kafa izahay ary nisy […]

Oniversiten’Antananarivo: Tsy maintsy anaovana ny badge

Ialana amin’ny gaboraraka, noraisina ny fepetra fivezivezena eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nivoaka ny naoty laharana 06/26/UA/PR/CR mampahafantatra fa araka ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny oniversite (CSU) dia ampiharina eo anivon’ny faritry ny Oniversite, manomboka ny 1 jona, ny fitondrana karatra famantarana manokana. Voakasik’izany ny mpianatra, ny mpandraharaha ary […]

Fiainam-pikambanana ! Hampandroso an’i Vohemar ny Fizaih

Nifamotoana teny Andohan’i Mandroseza, ny Fikambanan’ny zanak’Iharanan (Fizaih), Vohemar, ny alatsinain’ny Pantekoty teo. Efa fanaon’izy ireo isak’io fotoana io izany fihaonambe izany. Namba­ran’ny filohan’ny fikambanana, i Tohizara Gentiano Paul, tamin’izany, fa tanjona ny hijerena ny fampandrosoana ny faritra nihaviana, any Vohe­mar. Fotoana koa io ifankahitan’ireo zanaka am-pielezan’iny faritra iny sy […]

INDRAY MIJERY

Manome lanja ny fanabeazana ny tanora ho tia sy hiaro ny tontolo iainana ary ho olom-pirenena tomponandraikitra ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Manampy amin’ny fanamafisana ny “chantier école” sy ny fanabeazana miompana amin’ny asa sy ny tontolo iainana ny hetsika. Nifanome tanana ireo fitaleavana samihafa eo anivon’ […]

Eid Al Adha : Nahatsiaro ny soron’i Abrahama ny Ahmadiyya

Notanterahina teny amin’ny moske foiben-toeran’ny fikambanan’ny miozolomanina Ahmadiyya de Madagascar, eny Andavamamba Anati­ha­zo, omaly, ny fetin’ny fakan-tahaka “Eid Al Adha”. Sorona nataon’i Abrahama, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hita ao amin’ny Coran. Araka ny fanazavan’ny misionera Ahmed Mujeeb, isan-taona ny fahatsiarovana ny fetin’ny fakan-tahaka ny nataon’i Abra­hama izay nanaiky hanao […]