Mois : mai 2026

Faritra Normandia Frantsa: Nanangana ivontoerana ho an’ny tanora

Notokanana ny alin’ny talata 20 mey teo, ny ivontoerana fanovozam-pahalalana etsy Ampasimazava izay najoron’ny faritra Normandia any Frantsa, ho mariky ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny Faritra Atsinanana. Raha hiverenana, efa an-taonany maro ny fiarahan’ny faritra roa tonta : “Coopération décentralisée Normandie”. Nampitondraina ny anarana hoe “Atélier 501 centre de ressources” ity ivontoerana ity […]

Ady amin’ny kolikoly : Mihemotra ny laharan’i Madagasikara

Nihemotra laharana valo i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly, araka ny tatitry ny Transpa­rency international faha-31, ny fiandohan’ny herinandro teo, momba ny tondro andrefesana ny kolikoly, taona 2025. Laharana 148 amin’ny firenena 182 i Madagasikara tamin’ny 2025, amin’ny isa 25 amin’ny 100 na 25/100. Nefa tamin’ny taona 2024, 26/100 no […]

Lisitry ny Barean’i Madagasikara: Niantso mpiandry harato i Corentin Martins

Nahazo mpilalao vaovao indray ny Barea! Nantsoin’i Corentin Martins handrafitra ny Barean’i Madagasikara, i Ilam Djaliane, mpiandry tsatoby mi­lalao ao amin’ny Blagnac FC, divizionina fahadimy (D5) any France. Araka ny fikarohana natao, nahatafidirana baolina 12 tamin’ireo lalao enina vitany ity mpiaro ny masonaraton’ny Barea vaovao ity. Efa nandalo niatrika fiofanana […]

“Environment Contest 3×3” : Ekipa 91 hifaninana amin’ny 5 sy 6 jona

Efa tapitra tanteraka ny fisoratana anarana amin’ilay fifaninanana “Environment Contest 3×3”, izay hatao ny 5 hatramin’ ny 6 jona izao, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Antananarivo. Fifaninanana basikety lalaovin’olona 3, natokana ho an’ny mpianatra eny anivon’ny Oniversite, izay karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Iarahan’izy ireo misalahy amin’ny Federa­sionina malagasin’ny […]

Rugby sokajy vehivavy – CAN 2026 : Resin’i Kenya 57 no ho 0 ny Makis Ladies

Nomontsanin’ny Kenyanina tamin’ny isa mavesatra ny Makis Ladies, nandritra ny andro faharoa, niadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026), sokajy «Performance Division». Faharesena faharoa, ary tsy mbola afa-bela tamin’ i Kenya indray ny tovovavy malagasy. Tsy mbola nihiratra ho an’ny Makis Ladies ny masoandro eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]