Lany amin’ny sakafo sy ny kojakoja samihafa fampiasa andavanandro ny antsasa-manilan’ny tetibolan’ny tokantrano malagasy. Midangana ny vidin’entana, kely ny vola miditra. Mitombo hatrany ny fahasahiranan’ny tokantrano malagasy manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Araka ny antontanisa nivoaka tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Instat sy ny Banky iraisam-pirenena, maherin’ny 60% ny teti-bolan’ny isan-tokantrano ankehitriny no […]
Mois : mai 2026
FANTINA sy FINTINA
Hopotsirina sy hofantarina mandritra ny fikaonandoha savaranonando eny amin’ ny CCI Ivato, anio, avokoa ireo lesoka sy ny tsara ho fantatra rehetra teo anivon’ny Ceni, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotonarivo Thierry. Miisa valo ireo lohahevitra hodinihina, handraisan’ireo mpisehatra rehetra amin’ ny fifidianana anjara. Norasin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye Alice, teny […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy handroso raha tsy miverina an-doharano”
“Miverina an-doharano isika, raha te handroso”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nitsidika tany Mahajanga, nandritra ny roa andro, tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Nampirisika ny mpiasam-panjakana hanao fitafy malagasy izy amin’ny fankalazana ny 26 jona. Mba havela ny “costard”. Nisy ny fitokanana fotodrafitrasa vitsivitsy ao amin’ny […]
Tsy mpanao majia izy !
Mahavariana ny Malagasy sasany. Manam-bola ho laniana amin’ny fifananejehana fa tsy mahafoy ho fanampiana ny namana. Mbola sarotra ilay fanavaozana hitondra any amin’ny fanatsarana ny toe-tsaina. Lany andro amin’ny ravindravina atentina, ka manadino fa misy ny tokony hifantohana misimisy kokoa. Tsy inona izany fa ny andavanandro sy ny adim-piainana […]
Antenimierampirenena : Misy miketrika ny hanolo ny solontenany ao amin’ny HCC
Namoaka fanambarana ireo mpitsara avo eo anivon’ny HCC, i Noelison William sy Rasolo Nandrasana Georges Merlin. Toherin’izy ireo marindrano ny fanapahan-kevitry ny Antenimierampirenena amin’ny hanoloana ireo solontenan’i Tsimbazaza etsy Ambohidahy. Miketrika ny hanolo ny solontenany eo anivon’ ny HCC ny ao amin’ ny Antenimierampirenena amin’ ity anio ity, raha tsy […]




