Nifarana omaly ny fakan-kevitra ho an’ny tanora eny anivon’ny faritra, natao tao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra. Hifidy ny hisolo tena azy ireo any amin’ny fikaonandoham-pirenena ireo tanora hitondra ny teniny. Tsiahivina fa niainga tany amin’ny kaominina sy ny distrika ny fakan-kevitra ary izao eo amin’ny Faritra izao. Takina ny hitondrana fanazavana […]
Mois : mai 2026
Pasitera Tsarahame Edouard: « Tena ilaina ny fiaraha-midinika »
Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha politika, ankehitriny, nitondra ny heviny ny eo anivon’ny antoko RMDM, tarihin’ny pasitera Tsarahame Edouard. Niaiky ity farany fa misy tokoa ny savorovoro amin’ny fitantanana ny firenena. Nambarany fa anton’izany ny tsy fifandrifian’ny lalàna sy ny notakin’ny mpitolona. « Napetraka araka ny lalàna, nifototra tamin’ny fahabangan-toerana ny mpitondra […]
Izany, hono, no malaza!
Mahoraka indray aloha ny governemanta iaraha-mitantana. Sivy volana aty aorian’ny nandraisan’ny miaramila ny fahefana, hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny zava-drehetra. Toa hihavana daholo indray ny olon-drehetra. Havalona tsikelikely ny adilahy politika. Hiroso ny fifampiresahana an-databatra boribory. Iarahana indray ny dia mankany amin’ny fifidianana. Izany no malaza! Ny tonta no […]
Fikaondoham-pirenena : Hanangona sy handravona ny hevitra ny FFKM
Nofaranana tetsy Antanimena, tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, ny fihaonambe notanterahin’ny FFKM, ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Vonona ny handray andraikitra amin’izany ny fiangonana, araka ny nambaran’izy ireo. Nanterin’ny filohan’ny FFKM, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, fa vonona hanatanteraka ny andraikitra nankinina aminy amin’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. Antony nanatanterahina izao fihaonambe, […]




