Anisan’ireo nahafantarana ny Uscar Rugby, Randriamanantena Benjamin, izay mpandrindra ankapobeny ny ekipa. Fotoana ela tsy tazana intsony ny tenany. Ankehitriny miverina an-kianja indray izy. Nanambara ny antony tsy nahatazanana azy ary nitondra ny ho tohin’ny tantarany. Gazety Taratra (*) : Tsy ao anatin’ny tontolon’ny rugby intsony ve i Benjamin? Benjamin (-) : […]
Mois : mai 2026
VAOVAO TAMBATRA
Vita avokoa ny 98% ny tohodrano ao Farafaty Toamasina. Efa mamokatra rano 22 000 m3 ao an-toerana ny fototradrafitrasa taorian’ny fahasimbany, ny volana novambra 2025. Miakatra tsikelikely amin’izao ny fisitrahana rano ao Toamasina, taorian’ny fahavitan’ny asa. Afaka hivezivezena ihany koa ny tohodrano mba hahafahan’ny mponina mitatitra ny vokatra ho an’ny fampandrosoan’ny […]
“ITM-IHM 2026” : Maherin’ny 50 ny mpiara-miombon’antoka
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miombon’antoka amin’ny Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM), andiany faha-12 sy ny ho an’ny Asa tanana (IHM), andiany fahatelo. Mikarakara azy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA). Nanome voninahitra ny fotoana ny filoha […]
Tranombarotra Cosmos : Nisokatra ny magazay faha-21 eny Andraharo
Manakaiky hatrany ny mpanjifa! Nisokatra omaly 21 mey ny tranombarotra Cosmos faha-21, eny Andraharo. Tanàna miroborobo ara-barotra sy ara-toekarena eto an-dRenivohitra. Nitsinjo ireo olona miasa eny amin’ny manodidina, ny mpandraharaha, ny mponina, ny tranombarotra, no nahatonga azy ireo nanangana ity tranombarotra vaovao ity. Tanjony rahateo ny hanatonana akaiky kokoa ny […]
Teknolojia : Hafainganina ny fanovana niomerika
Vinam-pirenena amin’ny taona 2030 ny hanangana tontolo niomerika mirindra, mahaleo tena, vaovao ho an’ny olom-pirenena tsirairay sy ho an’ny fanovana maharitra eto Madagasikara Sehatra stratejika miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny niomerika. Miantoka ihany koa ny fampandehanan-draharaham-pirenena. Antony nahatonga ny diniky ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny […]




