Manana andraikitra lehibe amin’ny fiarovana ny fomba fandraisana mpiasa, fanendrena ary fitantanana ny mpiasam-panjakana, indrindra ny fisorohana amin’ny diplaoma sandoka ny fitaleavana ankapobeny ny asam-panjakana ao amin’ny minisiteran’ny Asa.
“Manamarina ny maha ara-dalàna izany miaraka amin’ny sampandraharaham-panjakana voakasiky ny diplaoma ny fitaleavana ankapobeny”, hoy ny tale jeneralin’ny Asam-panjakana, Randrianaivosoa Onivololona, omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Asa. Anatin’ny ady amin’ny diplaoma hosoka, ny fitalevana dia « autorité authentificateur de diplôme » fotsiny ihany raha misy mampiahiahy ny sonia sy ny « cachet sec » ary ny taratasy. Misy tranga roa miavaka: ny diplaoma hosoka nampiasana halatra sonia, cachet natao photocopie (dika mitovy) mampiahiahy ka hangatahana fanamarinana any amin’ny sekoly.
Faharoa, ara-dalàna tanteraka ilay diplaoma fa ilay olona tsy nianatra tao fa nividy diplaoma sy nanao kolikoly fotsiny no nahazoany azy. Mety ho voafitaka ihany ny tomponandraikitra satria tena nivoaka avy ao amin’ny ivontoeram- pampianarana ilay diplaoma ary misy mpiray tsikombakomba eo anivon’ilay sekoly.
Nanomboka ny taona 2021 hatramin’ity taona ity, ho an’ny mpiasam-panjakana voafehin’ny lalàna 2003-011, nahatratra 445 ireo niakatra filankevitra ara-pitsipi-pifehezana. Efatra no voamarina fa nanao hosoka momba ny diplaoma. Ho an’ny mpiasa tsy mbola mpiasam-panjakana kosa voafehin’ny lalàna 94-025, mpiasa 415 no niatrika codis ary 132 nanao diplaoma hosoka. Ho an’ny taona 2026, tsy nisy tranga momba ny diplaoma hosoka voamarina, raha 75 ny fangatahana codis mahakasika mpiasam-panjakana.
Ho an’ireo tsy mbola mpiasam-panjakana, roa ny tranga fanaovana diplaoma hosoka voamarina raha 63 ny fangatahana codis avy amin’ny minisitera samihafa.
Misy vaomiera misahana ny codis, ahitana ny solontenan’ny minisitera nangataka ny codis sy ny sehatrasa voakasika ary ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Asa manao ny fanadihadiana. Raha voamarina fa hosoka ny diplaoma, misy ny sazy ara-panjakana mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery eto Madagasikara. Ampiakarina filankevitra ara-pitsipi -pifehezana ilay olona nanao ny hosoka ka ny minisitera voakasika no mampiakatra ny raharaha eny anivon’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana.
Ny fampiasana diplaoma hosoka dia heloka eo anatrehan’ny lalàna ka misy ny sazy mifandraika amin’izany.
Vonjy





