Peace Corps Madagascar : 17 hiasa eto Madagasikara 

Notontosaina omaly, teny Ambaranjana, ny lanonana fandraisana  ireo mpilatsaka an-tsitrapo vaovao ao amin’ny Peace Corps Madagascar. Miisa 17 mianadahy ry zareo no nanao fianianana teo anatrehan’ny lefitry ny Masoivo­ho amerikanina mpisolo toerana, Steve Bremner. Raha ny fanazavana azo, nandrato fiofanana nandritra ny folo herinandro teo izy ireo, niompana ta­min’ny sehatra maro. Hiasa eto an-tanindrazana mandritra ny roa taona. Ani­san’izany ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fambolena ary ny fampiroboroboana ny teny anglisy. Ny volana aogositra lasa teo no tonga teto Madagasi­kara izy17 mianadahy. Ankoa­tra azy ireo, nandray mpilatsaka an-tsitrapo iray hafa koa ny Peace Corps Madagascar, izay vao avy niasa tany Maroc ary hanohy izany eto an-toerana. Ny taona 1993 no na­nomboka niasa an-tsitrapo teto Mada­gasikara ireo avy amin’ny Peace Corps rehefa nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny governemanta malagasy. Na­nomboka teo, 1 700 izy ireo no efa niasa teto Ma­dagasi­kara.

Fitia Randria

Partager sur: