Hofarananana rahampitso ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny Akanin’ny
marenina (Akama). Hisy ny fanolorana mariboninahitra ho an’ireo mpiara-miasa nahavita be tamin’ny asa. Hotolorana mari-pahaizana ihany koa
ireo miofana teny tanana lenta 1. Hotanterahina
eny amin’ny FLM Toby Ambohibao ny fotoam-pivavahana.
Notoloran’ny ONG AP2D Kit ireo marary mitondra colostomie ao amin’ny HJRA. Manampy
amin’ny fanatsarana ny fikarakarana ny marary
ireo fitaovana. Anisan’ny nisitraka izany ny fikambanana APLM. Nankasitraka ny fanomezana ireo marary.
Tanterahina any Ankazobe (FPMP 35), omaly sy anio, ny Rentrée solennelle an’ny sekoly FJKM, izay karakarain’ny foibe fitondran-tsekoly FJKM. Mitaiza tanora maro ny sekoly FJKM ary mamolavola ankizy sy tanora ho tonga olom-banona.





