Nanolotra ny taratasy manendry azy ho solontenan’ny Unicef eto Madagasikara sy kaomoro tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, i Gilles Chevalier, tamin’ity herinandro ity. Efa nisahana ny andraikitra solontena lefitry ny Unicef teto Madagasikara izy, nanomboka ny taona 2022, ary nikarakara ny fanatanterahana
ireo fandaharanasa maro niarahan’ny Unicef sy ny fanjakana teto amintsika. Nandray anjara betsaka koa izy nandritra ny asa famalian’ny Unicef ny hamehana ara-pahasalamana sy tao anatin’ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivodoza.
Nisahana andraikitra samihafa tao anatin’ny Unicef, teny anivon’ny firenena maro izy ary efa niasa ho an’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny Cnuced. Nambarany, nandritra ny lahateniny, fa hampiasa ny diplaomasia hampivoarana ny zon’ny ankizy malagasy izy. Havadika ho asa mivaingana, hoy izy, ireo fehin-kevitra noraisina. Nohamafisiny fa zava-dehibe ny fijerena manokana ny ankizy sy ny tanora rehefa mandray fanapahan-kevitra fampandrosoana ny firenena. « Vonona izy hiara-miasa amin’ny fanjakana sy ireo mpiray ombon’antoka ho tombontsoan’ny kilonga », araka ny nambarany.
Vonjy





