Mbola mitohy any Samarcande, Ouzbekistan, ny “Olympiades” eo amin’ny lalaon-tsaina Echec. Anisan’ ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara ary miatrika ny fifaninanana eo amin’ireo sokajy roa handraisana anjara. Raha ho an’ny vokatra, tsy mitsanga-menatra ny zava-bitan’ny ekipa iarahan’ny lahy sy vavy “mixte”. Tao anatin’ireo fihodinana dimy “round 5” efa vita, nahazo fandresena 3 i Madagasikara. Raha tsiahivina ny lalana nodiavin’izy ireo, nandresy an’i Laos, tamin’ny seta 4 no ho 0, nandritra ny «round 1». Mbola nitohy izany fahombiazana izany satria nanilika an’i Portugal, anisan’ny “favori”, teo amin’ny “round 2”. Fandresena 3 ho an’ny Malagasy raha 1 kosa ny an-dry zareo portioge. Lavon’i Roumanie indray i Madagasikara teo amin’ny “round 3” ary mbola niondrika teo anatrehin’i Estonie, nandritra ny “round 4”. Nanarina ny fahavoazany ny Malagasy mpilalao teo amin’ny “round 5”, ny alahady lasa teo, ka nanilika an’i Mauritanie.
Eo ho eo kosa ny vokatra ho an’ny sokajy vehivavy, izay nandresy indroa ary resy intelo nandritra ny “round 5” efa tontosa. Resin’i Serbie sy Luxembourg ary i Ouzbekistan, mpampiantrano izy ireo. Nandavo an’i Curacao sy i Soudan kosa avy eo. Na eo aza ireo vokatra ireo, mbola ao anatin’ny hazakazaka tsara ireo mpilalao.
Tompondaka




