57 ireo mpianatra ho mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana avy amin’ny hopitalin’i Toamasina manaraka fiofanana maimaimpoana momba ny vonjy voina. Ny tomponandraikitra misahana ny fahasalamana avy amin’ny masoivoho amerikanina sady mpampiofana ny Croix Rouge amerikanina no nanatanteraka izany.
Sady mianatra ny teknika, mampiasa “défibrilateur” ivelan’ny hopitaly no manao fampiharana avy hatrany amin’ny fitaovana ireo mpiofana.
Nilain’ireo mpianatra sy ireo mpiasan’ny fahasalamana ny fahazarana amin’ny fampiasana azy io amin’ny famonjena aina, satria mivoatra hatrany ny fomba fitsaboana. Mifanaraka amin’ny zava-misy ao Toamasina sy azo hampiharina avy hatrany.
Ny fandraisana an-tanana ireo olona kenda no namaranana ny fiofanana noho io karazana voina io mateti-pitranga amin’ny fotoana fiakaran’ny letchi ary ilana famonjena eo no ho eo fa tsy afaka miandry ho tonga any amin’ny hopitaly.
Najanon’ny masoivoho amerikanina ao Toamasina ny ampahany tamin’ireo fitaovana nampiasaina nandritra ny fiofanana. Eo koa ny “défibrilateur” iray sy ny kojakoja fanolo miaraka aminy.
Ny dokotera Mialinirina Rakotomanana, nisitraka ny vatsim-piofanana “Yali Young African Leaders Initiative”, tamin’ny taona 2024, no tompon-kevitra tamin’ny fiofanana. Taratry ny fahaiza-mitarika ananany sy ny fandraisany andraikitra amin’ny fiarahamonina misy azy izany.
Sajo sy Tatiana A




