Nametraka ny dian-tanany sy ny anarany any ivelany ihany koa ny ekipa malagasy eo amin’ny taranja Billard. Nitana ny laharana fahatelo, nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny “IBF TAOM World Series,” izy ireo. Nampiaiky ny rehetra ny endri-dalao nasehon’ny mpanao billard malagasy.
Tsy nitsanga-menatra, tsy niveri-maina ny Malagasy nandritra ny fifaninanana “IBF TAOM World Series”, taranja Billard. Fihaonana notanterahina tao Cape Town, Afrika Atsimo, ny 23 oktobra ka hatramin’ny alahady 1 novambra lasa teo. Nitondra medaly alimo miisa efatra nody mantsy ny delegasionina niatrika izany. Nandrombaka izany, teo amin’ny lehilahy, Rahary Danny sy i Maminiana Loîc. Ho an’ny vehivavy kosa, Rambahy Fahren sy Rabetafika Anja Malala. Izy ireo izay samy tao anatin’ny ekipa Rest of the World Tigers avokoa. Raha tsiahivina, fifaninanana isan-tarika izy ity ka mpilalao samihafa firenena no mikambana ao anaty ekipa iray.
Nandrombaka ny medaly volamena, teo amin’ny lehilahy, ny ekipan’ny British and Irish Lions rehefa nandresy ny mpampiantrano South Africa Panthers, tamin’ny isa 14 no ho 6. Teo amin’ny vehivavy indray, lasan’ny South Africa Panthers ny amboara rehefa nandresy ny British and Irish Lions, tamin’ny isa 14 no ho 12.
Ankoatra ny “IBF TAOM World Series”, niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ny ekipam-pirenena. Nisongadina tamin’izany, ny zava-bitan’i Danny Andriamihaja izay tonga teo amin’ny ampahefa-dalana, ho an’ny lalao ho an’olon-tokana. Nosakanan’ilay Aostralianina, i Gavin Lomax, ny lalany. “Sambany vao niatrika fihaonana iraisam-pirenena ny ankamaroan’ny mpilalao. Samy naneho ny fahaizany avokoa ny rehetra ary nampiaiky ny olona ny endri-dalao ka nahatonga ny mpifaninana nilaza ny faniriany hahita indray an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nahazoana lesona sy traikefa ny fifaninanana natrehinay”, hoy i Anja Malala.
Torcelin





