Nalisoa Ravalitera, mpampianatra, mpanabe, mpikaroka, mpanoratra, mpikabary… Ireny rehetra ireny, voarakitra avokoa ! Hotokanana ny 12 aogositra 2023 izao, amin’ny 9 ora maraina, ny Tranombakoka « J. Nalisoa Ravalitera ». Trano miorina ao Tsarahonenana Imerimandroso Alaotra. Ho voarakitra ao anatin’ity tranombakoka ity avokoa ny mombamomba an’i Nalisoa Ravalitera. Ny fiainany, ny sanganasany, ny andraikitra efa notanany teto amin’ny firenena, sns.
Jean Nalisoa Ravalitera, akademisianina, mpikambana ao amin’ny havatsa-Upem, Faribolana Sandratra, Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Mahatratra 500 mahery ny tononkalo nosoratany. Maro ny boky navoakany. Ao ireo niarahany tamina mpanoratra hafa, fa tao koa ny navoakany samy irery. Anisan’ireny ny « Fary Mamy », boky fampianarana niarahany namolavola tamin-dRavelomanana Herman sy R. Fanomezana, ny boky « Tapa-porohana » azy manokana. Ny « Fitia sy fitia », boky mirakitra tononkalo. Ny « Made sy zetra » boky mirakitra tantara, sns.
Marihina fa anisan’ny mpanoratra manandratra avo ny hasin’ny teny malagasy i Nalisoa Ravalitera. Nandalina izany rahateo izy na manana ny mari-pahaizana « doctorat ». Teny malagasy ranoiray no nanatanterahiny ny fanohanan-kevitra nataony tamin’izany.
HaRy Razafindrakoto