Justice et Paix: “Atsaharo ny fampanantenana poakaty”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny vaomieran’ny eveka, Justice et Paix, taorian’ny fivorian’izy ireo tetsy By-Pass, afakomaly. Hentitra izy ireo manoloana ny fiainam-pirenena.

Nambaran’izy ireo fa aoka hajanona ny adilahy sy ny fisaratsarahana ary ny fankalahana. Aoka tsy hifanilikilika na hifanavakavaka, araka ny fanambarana. “Tsy maintsy mandray andraikitra isika. Reseo ny fisalasalana ary atsaharo ny fampanantenana poakaty sy kobaka am-bava. Aoka tsy hifanilika andraikitra… Tsy ho kivy koa anefa isika na hiraviravy tanana”, hoy izy ireo.
Namakafaka ny zavamisy manerana ny Nosy koa ireo mpivory ka nilazan’izy ireo fa simba ny fihavanana raha tokony hanasitranana antsika izany. “Very izany nefa fanehoana ny firaisankina ary kolontsaintsika miaraka amin’ny fifanakalozan-kevitra. To­kony hanana toerana mazava eo amin’ny fiarahamonina ny fihavanana”, hoy izy ireo. Nohitsin’ny Justice et Paix fa mifanenjika sy mifanaratsy ary mifanao ankolafy ny rehetra noho ny fialonana. Tsy mifanaja noho ny fitiavantena. Marary sy marefo ary mila fanafody ny fihavanana, araka ny fanambarana hatrany.
Notanisain’ny Justice et Paix ny fiakaran’ny vidim-piainana. Mihalalina ny elanelana eo amin’ny mpanan-karena vitsy anisa sy ny mahantra. Manjaka ny tsy fandriampahalemana sy ny basy tsy fanta-pihaviana ary ny dahalo ambony latabatra. “Tsy misy ny fanadihadiana fa very an-javony fotsiny izany”, hoy izy ireo. Eo koa ny kolikoly sy ny fanodinana volam-bahoaka. Ny harem-pirenena lasa tantely afa-drakotra sy miondrana antsokosoko… Ny fanabeazana mikoroso fahana ary ratsy ny rafi-pampianarana sy ny kalitaon’ny fanabeazana ka tokony havaozina. Nanasonia ny fanambarana ny eveka, Ramaroson Marc Benjamin.

Synèse R.

Partager sur: