FANTINA sy FINTINA

Manamafy ny hafatry ny kardinaly Tsarahazana Désiré sy ny filohan’ny FJKM, Andriamahazosoa Irako Ammi, ny Hery politika mitambatra sy ny ACS. “Lasa fa­nangonan-karena sy fitadiavam-bola ny politika. Tsy misy mijery ny tombontsoan’ny vahoaka… Tsy misy fahamarinana ny fitantanana ny firenena”, hoy izy ireo, tetsy Mahamasina, omaly.
Nanao fanambarana ny birao politikan’ny Tim fa tsy manohana kandidà afa-tsy ny natolotry ny Fi­raisankina ihany amin’ny fifidianana depiote. Nampi­taina amin’ireo rantsa-mangaikan’ny antoko Tim ho an’ny fari­tanin’Antananarivo, omaly, ny toromarika, araka ny tapaky ny fivorian’ireo eo anivon’ny DisTim.
Hanao poa-droa ny kandidàn’ny Irmar any Sambava. Lisitra iray, tsy nisy mpifaninana i Mamangy Norbert (Jaky) sy ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. Efa eny Tsimbazaza koa ny ilan-tongotry ny kandidà, Rivotiana Jean Bosco, any Lalangiana. Tsy misy mpifaninana aminy any an-toerana. Samy hanao propagandy ihany anefa izy ireo.
Samy kandidà ny zanaky ny amiraly Ratsiraka. Kandidà any Mahanoro, Ratsiraka Annick, miaraka amin’ny antoko Arema tarihiny ankoatra ireo kandidà miisa 40 hafa mirotsaka any amin’ny fari-pifidianana hafa miara-dia aminy. Any Vatomandry kosa ny faravavy, Ratsiraka Sophie. Tohanan’ireo mpiara-dia amin’ny amiraly.

Partager sur: