Nambaran’ny mpanolotsain’ny Tanàna, Ravololomanana Lalatiana, omaly, tetsy Analakely, fa niakatra teny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (TA) ny fitoriana napetrany. Nivoaka ny didy afakomaly.
“Nandresy isika. Miato ny fakana tapakila haban-tsena amin’ ireo mpivarotra eto Antananarivo Renivohitra, araka ny didim-pitsarana nivoaka, afakomaly. Tsy mandoa vola amin’ny tapakila intsony ny mpivarotra”, hoy izy. Nanteriny fa miato izany ny naoty noraisin’ ny PDS an’Antananarivo, ny volana marsa teo, momba io fomba fakana vola eny amin’ ny mpivarotra io. Mbola ho avy indray ny fotoam-pitsarana manaraka hifandaharana
*amin’ny ekipan’ny PDS andaniny sy ny mpanolotsaina, Ravololomanana Lalatiana, ankilany amin’ny hanafoanana tanteraka izany fitakiana vola amin’ny “Ticket” izany.
Etsy andaniny, notsiahiviny fa diso hevitra ireo nilaza amin’ny nisehoan’ny fanodinkodinam-bola ny fitantanan’ny ben’ny Tanàna teo aloha, Andriantsitohaina Naina.
Fidirana an-tsehatry ny IGE sy ny Bianco
Antony niantsoany ny mpisafo-draharaham-panjakana (IGE) miaraka amin’ny Bianco ao amin’ny CUA izany. “Tsy misy idiran’ny ben’ny Tanàna teo aloha ny raharaha. Marobe ny fitarainana voarainay amin’ny fakana vola amin’ireo mpivarotra… Misy resa-bola hatrany amin’ny 20 tapitrisa Ar”, hoy ihany izy. Notsindriny fa miaro hatrany ny ezaka efa vitan’ny mpitantana teo aloha izy ireo. Miray feo amin’ity mpanolotsain’ny Tanàna ity ny fikambanan’ny mpivarotra amin’ireo tsena rehetra eto an-dRenivohitra. “Niharan’ny antsojay sy ny ramatahora izahay. Misy ireo mitady hamerina ny kolikoly sy ny gaboraraka ka tsy ekenay izany. Efa miroso amin’ny Digitalisation isika izao ka tokony hotohizana izany…”, hoy izy ireo. Nanaovan’ireo mpivarotra antso avo ny SMGD haka ny haban-tsena amin’ny alalan’ny karatra “Biometrique”. Tsy hiverin-dalana intsony izy ireo…
Synèse R.