Anisan’ireo firenena 16 mandray anjara amin’ny fifaninanana OQT any Debrecen Hongrie, ny 16-19 mey ho avy izao i Madagasikara. Ho fiatrehana izany, haka traikefa ao amin’ilay Akademian’ny Basikety 3×3 any Novi Sad Serbie, ny Ankoay 3×3.
Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny basikety (Fmbb), Ramaroson Jean Michel, omaly, teny Ambohijatovo, fa hanainga anio hihazo an’i Serbie, ny ekipa nasionaly malagasy Ankoay 3 x 3, “sénior”, lehilahy. Hiofana ao amin’ilay akademian’ny basikety 3×3, any an-toerana izy efatra mirahalahy sy ny mpanazatra.
Marihina fa natao hiatrehina ny fifaninanana “OQT Debrecen Hongrie”, ny 16 – 19 mey ho avy izao ity fiofanana ity. Tsara ny mampahatsiahy fa lalao fifanintsanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny lalao “Olympika Paris 2024”, ny “OQT 2024”.
Ny 15 mey ho avy io no hiala ao Serbie ny ekipa nasionaly ary hamonjy ny fihaonana any Hongrie.
Tsara ny mampahafantatra fa ao amin’ny vondrona “A” no misy an’i Madagasikara. Hifandimby hihaona
amin’izy ireo, i Allemagne, i Suisse, i Lithuanie. Izay firenena telo voalohany no hiatrika ny lalao Olympika.
Hanohana ny FMBB ny CT Motors
Mifanolo-tanana amin’ny fiatrehan’ny Ankoay 3×3 ny fifaninanana “OQT” ny CT Motors sy ny FMBB. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana mahakasika izany omaly, teny Ambohijatovo. Tsara marihina fa izay vao nanohana ekipa nasionaly amin’ny taranja hiombonana ny CT Motors. Nanolotra fanomezana ho an’ny delegasiona malagasy hiaro ny voninahi-pirenena any Debrecen moa izy ireo.
Fitia Randria