Notanterahina omaly, tany Antalaha, ny andro fahatelon’ ny fifaninanana Beach Soccer, “Festival Mazavaloha”. Misongadina tanteraka ny ekipan’i Menabe. Nomontsanin’ izy ireo tamin’ny isa mavesatra 10 no ho 1 ry zareo Atsimo Atsinanana. Araka izany, ity no fandresena fahatelo azon’i Menabe nandritra ny fifaninanana. Ny mpilalao voafantin’i Boeny ihany no nandresy azy ireo, 6 no ho 4, nandritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana. Tsara ny mampahafantatra fa ao amin’ny vondrona “B” no misy an’i Menabe, ary miaraka amin’izy ireo ao ry zareo Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Boeny ary Atsimo Andrefana.
Zavatra roa no kendren’ny vaomiera misahana ny Beach soccer, eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) amin’ity. Voalohany, hitiliana ireo mpilalao afaka handrafitra ny Barea de Madagascar. Faharoa, ho fanomanan’ireo ligim-paritra, ny fifaninanam-pirenena hotanterahina any Manakara, ny volana jolay ho avy izao.
Anisan’ny tanjon’ny Federasiona ny hamerina indray ny lazan’ny Beach soccer eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsiahivina fa efa tompondakan’i Afrika ny Barea Beach, ny taona 2015, ary niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, natao tany Portugal.
Raha tsy misy ny fiovana, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024), amin’ity baolina kitra lalaovina ambony fasika ity, indray ny Barea de Madagascar, ny volana septambra ho avy izao. Hifarana rahampitso alahady 19 avrily ity “Festival Mazavaloha” ity.
Fitia Randria