Natao omaly, ny fanolorana fitaovam-piasana ho an’ireo mpikambana mikirakira ny volotsangana ao anatin’ny Association fivoarana malagasy (Afima) eny Andavamamba. Hanatsara ny kalitaon’ny vokatra sy ny teknika izany. Tamin’ny alalan’ny tetikasa International Bamboo and Rattan Organisation (Inbar), niaraka amin’ny Center for Malagasy Bamboo Ressource and Technology (CMBART) no nahafahana nanatanteraka izany. […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Manana ny tetikasany i Madagasikara fa anjaran’ny mpamatsy vola ny manampy ny fanatanterahana azy, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, omaly, teny Ivandry. «Kely ny fampiasantsika ny vola azo hatramin’izay. Lasa lavabe ny fotoana hamoahana ny vola ka efa nasiantsika fanovana izany», hoy izy. Nivoaka tamin’ny fahanginany ary naneho ny […]
Fihaonana tamin’ny Praiminisitra : Nangata-panazavana momba ny fanavaozana ny PTF
Notanterahina teny Ivandry, omaly, ny fihaonan’ny governemanta sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF). Maromaro ireo fangataham-panazavana nataon’ireo mpamatsy vola momba ny raharaham-pirenena. Novalian’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana sy nohazavainy tamin’izany ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana. Anisan’ny maika, araka ny nambarany, ny fanatanterahana ireo fanavaozana ara-drafitra ho amin’ny fanavaozana maharitra, ny fikarakarana fifidianana […]
Miara-mirona
Hankalazaina rahampitso ny tsingerin-taona voalohan’ny tolona nandrodanana ny filohan’ny Repoblika teo aloha Rajoelina Andry. Hisy ny fotoam-pankalazana manetriketrika manerana ny renivohitry ny faritra, ankoatra ny eto an-dRenivohitra. Hanao rodobe eny Ambohidahy ny avy amin’ny Fitondrana. Hiolomay hamonjy tanindrazana ny delegasionina mamita iraka any Etazonia. Hiara-mirona avokoa ny fikambanana sy […]
New York, Etazonia : Maro sosona ny fihaonana nataon’ ny filohan’ny Fanavaozana
Maromaro ireo tomponandraikitra ambony sy mpiara-miombon’antoka nihaona tamin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, amin’izao diany any New York izao. Eo koa ny fanatrehany ny fivorian’ny Firenena mikambana (ONU). Nafana ny fandraisan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana (ONU), i António Guterres, ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, talohan’ny nanombohan’ny fivoriambe faha-81 […]




