Auteur/autrice : Adnews

Ady amin’ny fampiasana vokatra misy paraky : Nasongadina ny fomba fiaina ara-pahasalamana

« Ndao hiady amin’ny fiankinandoha amin’ny nikotina, ny paraky ary ny sigara” ny lohahevitra nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fihinanana paraky sy tsy fifohana sigara. Notanterahina tao Antsirana­na ny hetsika. Natao hanentanana ny mponina hiaro ny fa­hasalamany sy handray anjara amin’ny ady amin’ny voka-dratsin’ny fifohana sigara. Nisy […]

Any Toliara: Hatsangana ny foibe itobian’ireo zaza varira

Manoloana ny famonoana olona varira nisesy, izay mampivarahontsana, mijoro hiaro azy ireny ny fanjakana. Hatsangana ny foibe hitobian’ireo zaza varira ary hahetsika ny ekipa mpiaro ny zon’ny zaza, manerana ny Nosy. Nandritra ny lahatenin’ny filohan’ny Fanavaoza­na ny Repoblikan’i Ma­da­gasikara (PRRM), ny kolonely Randrianirina Mickaël, no nilazany fa hatsangana ny toby […]

TARATRY ny KANTO

«Voambolana malagasy maha sadaikatra : fady sa azo tenenina ?». Lohahevitra hovelabelarin’ Ny Mpanabe Tsara mandritra ny Famoloana Telozoro, izay hatao rahampitso amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranom­bokimpirenena Anosy io. Mahakasika ny teny malagasy disoana fanoratra anaty tambajotra kosa ny anjaran’i Ariela Fanoitra, poeta sy mpanoratra aorian’ izay. Tratra ny tanjona ho […]

Tantara « Ilay tena Reniko »: Nirotsa-dranomaso ny mpilalao

Tranga niavaka nandritra ny fanamarihana ny « Fetin’ny Reny » farany teo! Tantara « Ilay tena Reniko » nosoratan’i Namby Mivetso. Ny fizarana voalohany, nalefa ho an’ny mpihaino Radio tamin’iny herinandro iny. Tantara vaovao no­velomin’i Nirina, Ralala, Tapa­porohana, Antsaravaka, Nax Rabemanantsoa ary Harinala. «Ny ampahany tamin-dry zareo ireo, nirotsa-dranomaso mihitsy teo am-pamelomana ny tantara. Tsy […]

Fifaninanana tantara foronina 2024 : Nahazo ny laharana voalohany i Rija-Al-Jonah

Mpanoratra telo isaky ny sokajy nifaninanana no nivoaka mpandresy. Natolotra omaly ny lokan’ireo voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena «  Literatiora 2024 ». Rijamamy Rakoton­dra­soa Joseph, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Rija-Al-Jonah. Izy no nandrombaka ny laharana voalohany teo amin’ny sokajy tantara foronina, tamin’ilay fifaninanana «Literatiora 2024». Ilay tantara «Mena mirahavavy» no nentin’ity mpanoratra […]