Notsenaina tamin’ny fomba manetriketrika tao amin’ny Kianjan’ny Parc de Princes, ao Paris, renivohitr’i France, ny Paris Saint Germain(PSG), afakomaly. Nankalazaina tao amin’ity kianja ity ny fahombiazan’ny PSG, izay nibata amboara roa tamin’ny Ligue des Champions 2026. Tsiahivina fa tazana tao anatin’ny lanonana ilay Malagasy mpanazatra Barea fahiny, sady mpilalaon’ny PSG […]
Auteur/autrice : Adnews
Handball – “IHF Trophy” : Nanao pao-droa ny Akio
“Pao-droa”! Lasan’ny Akio Madagasikara avokoa ny amboaran’ny “IHF Trophy”, faritra fahafito, ho an’ ny sokajy “cadet” sy “junior”, lehilahy. Fifaninanana notanterahina tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alarobia hatramin’ny alahady lasa teo. Norombahin’ny ekipam-pirenena Akio “cadet”, ny anaram-boninahitra rehefa nandresy ny Nosy La Réunion, tamin’ny isa 40 no ho 30, […]
JJB-AJP Tour Cape Town : Nahazo medaly volamena 4 sy alimo 2 ny Malagasy
Namiratra indray ny Malagasy mpikatroka ny taranja Jiu-jitsu Breziliana tany Afrika Atsimo. Medaly 6 no norombahin’izy ireo. Malagasy mpikatroka Jiu-jitsu Breziliana 4 mianadahy no niatrika ny fifaninanana “AJP Tour Cape Town Championship”, tany Afrika Atsimo. Tsy nitsanga-menatra ireo solontena malagasy fa namiratra. Medaly volamena 4 sy alimo 2 no norombahan’i […]
Auto-école-CUA : Tokony hamafisina ny kalitaon’ny fampianarana
Manoloana ny goragora sy tandrevaka ataon’ireo mpitondra fiara, nanaitra ny sekoly mampianatra mamily fiarakodia rehetra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba hanamafy hatrany ny kalitaon’ny fampianarana omena ireo mpianatra. Tsy mijanona amin’ny fahaizana mitondra fiara fotsiny ny fampianarana fa eo koa ny fanabeazana amin’ny andraikitra, ny fanajana lalàna ary ny fifampitsinjovana […]
Sekolin’ny baolina kitra JSEM : Mankalaza ny fahadimy taona nijoroany
Tontosa ny sabotsy sy alahady teo, tetsy amin’ny Kianjan’i Betongolo, ny ivon’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny sekolin’ny baolina kitra JSEM. Fotoana nifaninanana teo amin’ny baolina kitra ho an’ireo katitakely latsaky ny 13 taona. Miisa 94 ireo mpandray anjara tamin’izany. Amin’ny novambra 2026 ho avy izao ny famaranana ny fankalazana. «Tanjona […]





