Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Nilaza ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Onitiana Realy, omaly, fa tsy marina ny filazana fahazoan’ny mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana tambim-pankasitrahana na valisoa manokana 20 tapitrisa Ar avy. Tsy nanamarina ny fisian’ny taratasy niparitaka momba izany izy. Tsara ho fantatra fa melohin’ny lalàna ny fanelezana vaovao […]

Milavonjy Philobert : “Tsy ara-dalàna ny fanenjehana ny depiote Mi­chelle”

“Misy zavatra hita sy tsapa ary fantatra fa tsy manaraka ny lalàna velona iainana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fisamborana azy”. Io no fanehoan-kevitry ny lehiben’ ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny An­tenimierampirenena, ny de­piote voafidy tany Ambo­vom­be Androy tamin’ny anaran’ny Irmar, Milavonjy An­dria­sy Philobert, teny […]

Tsy ho mizana tsindrin’ila ?

  Miseholany ny fanenjehana ara-pitsarana ny mpanao politika, tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra ankehitriny. Lasibatra ireo niloko volom-boasary sy miaro ny fitondrana nentin’ny Filoha teo aloha Rajoelina Andry. Tsy misy ala­haro alaharo fa voasambotra sy voaendaka avy hatrany ny tsy fahafahana manenjika sy misambotra azy ireo. Ry “honorables” na ny […]

SAMY MANANA NY HEVINY NY AO TSIMBAZAZA : Ara-dalàna ny fanalana tombon-jo parlemanteran’ny depiote

Miova mpitondra, miova sata. Sambany, nisy ny fanalana ny tombontsoa parlemantera tsy azo enjehina. Politika ? Mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona ny raharaha, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena. «Mangarahara tanteraka ny fanapahan-kevitry ny birao maharitra, izay mifana­raka amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona eto Ma­dagasikara. Natao izay satria […]

TSELATRA

Mpangalatra bisikileta voasambotry ny polisy teny Anosizato, ny alin’ny alahady teo tamin’ny 8 ora. Mody nanontany ilay mpanao taxi-bisikileta izy kanjo nodarohan’ny tampoka. Nokasainy alaina ny fitaovam-pitanterana saingy voasambotra tsy lavitra izy. Roa lahy mpamaky trano sady efa mpameri-keloka voasambotry ny polisy miasa ao Betafo, ny 2 janoary teo. Nahatrarana […]