Auteur/autrice : Adnews

“EPM 2025” : Hamoahana angon-kevitra

Hotanterahina manomboka ny volana desambra izao ka hatramin’ny volana marsa 2026 ny fanadihadiana maharitra eny anivon’ny tokantrano (EPM 2025), andiany faharoa, izay karakarain’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF). Fitaovana fototra ahafahana manombana ny fari-piainan’ny mponina sy hamokarana ireo tondro sosialy sy ara-toekarena lehibe ampiasain’ny fanjakana ny EPM. Manampy amin’ny […]

Tetibola 2026 : Hiakatra 12,4% ny tahan’ny tsindrin-ketra

Vinavinaina hiakatra 12,4% ny tahan’ny tsindrin-ketra tsy afakaratsaka (taux de pression fiscale brute) ho an’ny taona 2026, araka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI). Tombanana ho lasa 5 026 miliara Ar ny fidiram-bolan’ny fadintseranana ho an’io taona hoavy io hanatsarana sy hanarenana ary hanavaozana ny toekarena. Ny 73,42% ny fampidiran-ketra anatiny […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hitandrina ny fitondram-panjakana ankehitriny manoloana ireo tsindry samihafa ataon’ ireo firenen-dehibe, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, Paraina Auguste. « Tsy tongatonga ho azy ny niresahan’i Emmanuel Macron nandritra ny fivahinianany tatsy amin’ny Nosy Maurice ny toe-javamisy eto Madagasikara », hoy izy. Tsy mila PDS ny vahoakan’ny kaominina am­banivohitra Marovoay. […]

Depiote Rakotoniaina Pety : “Aoka tsy ho sarintsarina fanovana no hatao”

“Aoka tsy ho sarintsarin’ny fanovana no hatao, fa alefa any amin’ny Faritany sy ny Faritra ny fahefana”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Am­bony, Rakotoniaina Pety, manoloana ny ataon’ny mpanao politika sasany efa misy manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ny mpanao politika sasany, manao kajy […]

Tsy heloky ny zanany

  Mailaka ery ny sasany amin’ny endri-panavaozana toa tsy mijery ny maha olona. Mahazo vahana ny tsindrio fa lavo hany ka mahita faisana ny vahoaka madinika. Ity tokoa ilay hoe izy mivady no miady dia ny ankizy no voaporiporitra. Tendrom-po ny an’ny sasany, hany ka tsy mijery ny manodidina. Ho […]