Auteur/autrice : Adnews

Andrin-jiro mamoa-doza : Vehivavy iray maty, iray hafa malemy

Maty tsy tra-drano ny ramatoa iray, omaly, tetsy Ankadimbahoaka. Main’ny herinaratra amin’ny andrin-jiro teo akaikin’ny toeram-pivarotany izy. Nalemy kosa ny ilan’ny vehivavy iray, nikasa hanavotra azy. Namoy ny ainy, main’ny herinaratra tetsy amin’ny fokontany Ankadim­bahoaka Andrefana, ny ramatoa iray manodidina ny 40 taona, omaly tokony ho tamin’ ny 12 ora […]

Bisikileta – Fifaninanana afrikanina: Hiakatra an-tsehatra anio i Mohamed Houlder

Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny 23 no­vambra ho avy izao, atsy Ke­nya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja bi­sikileta. Sam­bany eo amin’ny tantara no handray anjara amin’izany i Madagasikara. Hiakatra an-tsehatra, anio, i Mohamed Houlder Amédé, hany tokana solontenan’ny Malagasy amin’ ity fifanintsanana afrikanina ity. Nilaza ny tenany fa vonona […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina omaly ny lanonana goavana hanomezana mari-pankasitrahana an’ireo mpilalao sy mpanazatra afrikanina. Manana solontena hofidina amin’izany i Madagasikara, dia ny Coach Rôrô, izay tafiditra anatin’ireo mpanazatra mendrika indrindra aty Afrika sy i Fely, hofidina ho anisan’ireo nampiditra baolina tsara indrindra tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Araka ny fikarohana natao omaly, tao […]

Rallye ASACM: 29 ireo hifaninana

Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny alahady 23 novambra ho avy izao ny Rallye Asacm. Dingana fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny familiana fiarakodia ity hatao ity. Hisy 29 ireo mpanamory handray anjara sy hiady ho lohany amin’ity. Anisan’ireo hiatrika izany i Mathieu sy i Heri Possible, mpanamory avy amin’ny klioba Asacm, mitondra […]

« FIBA Africa Cup 3×3 » : Vonona amin’ny fanohanana ireo mpiara-miombon’antoka

Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fandraisana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3, hotanterahina eto Madagasikara, ny 5 hatramin’ny 7 desambra amin’izao fotoana izao ny FMBB. Vonona hifanohana amin’ny Federasionina malagasin’ny basikety ireo mpiara-miombon’antoka ma­ro­be, raha ny nambaran’izy ireo teny Andraharo, omaly. Noton­to­saina omaly ny fanehoana ny sary fampahafantarana sy […]