Auteur/autrice : Adnews

Fomban-drazana: Hanandratana ny hasin’ny vahoaka ny “Alakaosibe”

Tsinan’alakaosy, amin’ny fanandroana isa lava. Miezaka mamerina ny “Alakaosibe”, fomba natao hanandratana ny vahoaka ireo mpitana sy mamelo-maso ny fomban-drazana. Fomban-drazana fanao eo amin’ny tsinambo­lan’ny alakaosy, izany hoe, mijoro eo amin’ny vava andro alakaosy ary reniandro alakaosy ny “Alakaosibe”, raha ara-panandroana. Ara­ka ny fanazavana nomen’ireo mpandala ny fomban-drazana, izay mivondrona […]

FANTINA sy FINTINA

Nosalorana ny samboady maha loholona azy, i Bevoavy Joel. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny lanonana momba izany. Tsiahivina fa misolo ny loholona teo aloha, lasa minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ity loholona vaovao ity, manomboka izao. Nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo He­rin­tsalama, fa tokony hatsahatra amin’izay ireo fitakiana […]

HCC : “Misitraka ny tombontsoan’ny filoha ireo mpanolotsaina avo”

“Ny kolonely Lucien Rabearimanana, ny kolonely Dr Marcellin Zafitosondry Ranoelson Manantenasoa, ny kolonely Thierry Rampanarivo Solofoniaina, ary ny lietnà-kolonely Gervais Andriamia­risoa no nomena ny anaram-boninahitra ho mpanolotsaina avo momba ny Fanavaozana, miaraka amin’ny lamina mifanaraka amin’izany sy ny karaman’ny filohan’ny Repoblika”. Io ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana […]

Fandoto iray tandroka monja

  Tandremo ny singam-bolo mety handavo ny vositra!  Mahalasa saina ny zava-nitranga omaly maraina, teny Ankasina. Tapakandro monja dia nikatso ny fiainan’ Antananarivo Renivohitra, noho ny fitokonan’ny mponina. Tapaka tanteraka ny lalana iray, teny an-toerana. Poa toy izay, nihitsoka ny tontolo andro. Ora maro no very ho an’ny mpiasa, ny […]

Filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël: “Omena fahalalahana tanteraka ny FFKM”

Nanomboka omaly, haharitra hateloana ny fikaonandoha kristianina. Nanokatra izany ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Ity farany izay manome fahalalahana tanteraka ny FFKM amin’ny fanomanana ilay dinika nasionaly. Nambarany fa zava-dehibe ny hetsika tahaka izao fa mitondra any amin’ny fanorenana ifotony iarahana manao. « Tafiditra ho anisan’izany fanorenana izany ny fanovana […]