Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Lehilahy iray maty nilatsaham-potaka tany Behenjy, distrikan’Ambatolampy, afakomaly hariva. Tra-doza teo am-piandrasana omby tany an-tsaha izy, raha ny fanazavana voaray. Avy ny orana tamin’io fotoana io, nilatsaka sy nirefotra tampoka ny varatra ka nahavoa azy. Novonjena nentina tany amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. May ny tendany sy ny […]

CEG Talatamaty : Nisy tranga hafahafa nahazo ireo mpianatra

Mpianatra miisa efatra, ao amin’ny kilasy fahasivy, tetsy amin’ny sekolim-panjakana, CEG Talamaty, niharan’ny tranga hafahafa omaly maraina. Nibitabitaka, nitsipatsipaka, nitabataba, nitomany, niha sempotra ary niafara tamin’ny fahatoranana mihitsy ny fisehon’ny aretina, raha ny fanazavan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra teny an-toerana. Nifindra tamin’ireo iray kilasy taminy izany ka nisehoan’ilay tranga ihany koa […]

Nanafika Cash point: Jiolahy iray voasambotra

Jiolahy nitam-basy tratran’ny polisim-pirenena miasa ao Toliara, omaly. Nanafika mpiasa amin’ny toerana fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday, Cash point, tao Tsie­nengea, ny olon-dratsy roa, ny talata 18 novambra lasa teo. Hamonjy fodiana, ny harivan’io andro io, ilay ramatoa kinanjo narahin’ireo mpanao ratsy. Nambanan’izy ireo tamin’ny basy ka voaroba ny vola teny […]

Lozam-pifamoivoizana teny Ankasina Lehilahy iray maty, nitroatra ny mponina

Maty voadonan’ny fiara teny Ankasina ny lehilahy iray, omaly. Nandositra ilay tompon’antoka. Tezitra ka nikomy ny mponina, nivadika ho sakan-dalana sy fandorana kodiarana ny zava-nisy. Nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, nanakan-dalana sy na­metraka sakana teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’ Andohatapenaka sy Ankazo­manga, ny mponina teny Anka­sina, omaly. Tsiahivina […]